Ravalitera Jacques Michaël : Ravalitera Jacques Michaël

“Tsy polisy ny firaisamonina sivily, ka ny zavatra tsy mety hatrany no resahina”, hoy ny mpanolotsaina eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni, Ravalitera Jacques Michaël, teny Alarobia, omaly, momba ny fiaraha-miasan’ny firaisamonina sivily sy ny Ceni amin’ny fiatrehana fifidianana. Marina fa manao fanairana ny asany, manara-maso ny asan’ny fanjakana. Ao anatin’izany ny asan’ny Ceni. Nefa misy koa ny fiaraha-miasa, tsy hoe manohitra befahatany fa manao fanairana amin’izay tsy mety.
Misy ny firaisamonina sivily nahazo fankatoavan’ny Ceni amin’ny fanaraha-maso fifidianana. Tsy ny Ceni no miara-miasa akaiky aminy, fa ny asan’ny Ceni aza no arahiny maso amin’izany amin’ny maha mpanara-maso azy. Tsy amin’ny sehatra anatiny amin’ny asan’ny Ceni ihany, fa eo koa, ohatra, ny fanaraha-maso tamin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana teo. Tsy fisehosehoana fa mila asa eny anivon’ny fiarahamonina. Olona manakaiky vahoaka izany, mpanabe…
Amin’izao, fanentanana ny olom-pirenena amin’ny fanarahana fampielezan-kevitra, fahatongavana mifidy, fanabeazana olom-pirenena hahafantatra ny zo aman’andraikiny, ny fanaraha-maso ny voka-pifidianana. Ao anatin’izany ny fiandrasana amim-pitoniana ny voka-pifidianana, ny manao fanamarihana na fitarainana raha misy ilàna izany…

R. Nd.

Partager sur: