Bakalorea Antananarivo: tsy mbola tanteraka ny “délibération”

Tsy nisy ny fanaovana ny “délibération” omaly, ho an’ny fanadinana bakalorea, eto Antananarivo satria tsy nahafapo ny fihaonana tamin’ny filohan’ny Oniversite, araka ny tatitry ny solontenan’ny mpitsara ny taratasim-panadinana teny Ankatso. Mitaky ny hanomezana ny karama mialoha izy ireo vao hiroso amin’ny fanohizana ny asa ka miandry izany. Manahy ny tsy fandraisana ny valin-kasasarana ara-potoana ny mpitsara, toy ny niseho taona maromaro nifanesy momba ny fanadinam-panjakana isan-karazany.
Momba ny hetsiky ny mpampianatra mpikaroka ao anatin’ny Seces sampana Antananarivo, Ankatso ihany. « Mitohy ny oniversite maty”, hoy ny filohan’ny Seces, Ravelonirina Sammy Grégoire. Hangataka fihaonana amin’ ny filohan’ny Repoblika ny mpampianatra mpikaroka satria tsy mahatapak’ahitra ny governemanta sy ny praiminisitra. Tafiditra amin’izany ny fitakiana ny fandoavana ny saran’ny ora fanampiny nanomboka ny taona 2019-2022. Eo koa ny fampiharana ny décret dimy, momba ny zo aman-kasin’ny mpampianatra.

Vonjy

Partager sur: