Teny Belanitra omaly, no nanambaran’ny filohan’ny Vovonana Avotantsika miaraka i Madagasikara (AMM), Masy Goulamaly, fa anisan’ny ho kandidà hirotsaka ho fidina ho filoham-pirenena ny tenany.
“Manoloana ny fahoriana mianjady amin’ny firenena dia mahatsiaro manana adidy aho. Amin’ny maha reny ahy dia tsapako ny maharary ny zanaka ka nandresy lahatra ahy hitondra anjara biriky hitondra fanarenana ho an’ny firenena”, hoy ity kandidà filoham-pirenena ity.
Mangetaheta fanovana ireo vahoaka. Betsaka ireo fikambanana sy vahoaka tsotra, ny tanora nanao fangatahana ny hirotsahako ho fidiana, hoy ny filohan’ny AMM.
Tsy mora ny lalana hanatanterahana ny vina fa manana ny vahoaka Malagasy, indrindra ireo efa naneho fahavononana, amin’ny fanatrarana ny tanjona.
Manentana sahady ny mpiray tanindrazana rehetra, indrindra ny vehivavy, mpitarika, mpandraharaha, tantsaha… hifanome-tanana. Rehefa mijoro ny vehivavy dia mahavita zavatra, araka ny nambarany.
Ankoatra ny maha filohan’ny Vovonana Avotantsika Miaraka i Masagasikara (AMM) azy, solombavambahokan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny distrikan’i Tsihombe koa izy. Eo anivon’ny antenimierampirenena dia filohan’ny vaomieran’ny miralenta sy ny fampandrosoana. Filoha lefitry ny “Forum Parlementaire” an’ny Sadc, ao anatin’ny sampana “Promotion de l’égalité de genre” i Masy Goulamaly. Filoha lefitry ny tambajotran’ny vehivavy mpitarika aty Afrika ihany koa ny tenany.
Synèse




