Filohan’ny Ceni : “Tsy misy atahorana ny vola ho an’ny fifidianana”

Nanala ny ahiahin’ny rehetra, indrindra fa ny mpanao politika ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’izy ireo fa tsy olana ny ho enti-manana amin’izany.

“Tsy misy atahorantsika ny vola hanaovana fifidianana. Koa aza miahiahy isika ny amin’izay”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andria­­narisedo Dama A., teny Alarobia, afakomaly. Miantso ny mpanao politika sy ny firaisamonina sivily hiara-kientana sy hanentana ny mpifidy izy. Mba hampiakatra ny taham-pahavitrihana amin’ny fifidianana izany, ary ho tomponandraikitra ny olompirenena amin’ny fifidianana.
Tsy mahakasika manontolo ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ny torolalana 49 na­roson’ny mpanao fitsirihana nasionaly, fa misy fanatsarana mitohy. Ny tsy fahatomombanana no tena anaovana fani­tsiana ny lisi-pifidianana alohan’ny hanontana ny kara-pifidianana aorian’ny 20 aogositra. Hafa amin’izay voasoratra amin’ny takelaka fanisana mpifidy, izay voadika amin’ny ordinatera. Ezahina ny hampitoviana izany tsy hampisavoritaka ny mpifidy na ny mpikamban’ny biraom-pifidianana amin’ny androm-pifidianana. “Efa voadio tanteraka ary mil­amina ny amin’ny anarana miverina”, hoy izy.
Miezaka miala amin’ny mampiahiahy ny Ceni. Alefa any amin’ny distrika izay ahiana hoe anarana miverina sa mampiahiahy fotsiny? Aleo manafaka olo-meloka toy izay manasazy tsy manan-tsiny, araka ny fiteny. Raha mampiahiahy ny anarana iray ka fafana ao anatin’ny lisi-pifi­dianana, tsy afa-mifidy sy very zo.

R. Nd.

Partager sur: