Hiavaka ny fanamarihana ny faha-25 taona. Hatao ny 24 septambra izao ny antsan-kira lehibe hiarahan’ny antoko mpihira Feo miantso, tompom-pety sy ny tarika Ndriana Ramamonjy, hatao eny amin’
ny FLM Tsarahonenana. Hitohy ny 30 septambra izany amin’ny sakafom-pifaliana anasana ny rehetra eny Ankadindramamy.
Mialoha izany, eo koa ny fifaninana fanatanjahantena ho an’ny taranja kitra sy ny basikety ary ny tsipy kanetibe. Hisitrahana valisoa manomboka amin’ny ondry mifahy sy 6 hetsy Ar ary koa iray tapitrisa Ar izany. Hotanterahina eny amin’ny kianjan’ny oniversite Ankatso izany, hanomboka ny 19 aogositra izao.
Tsiahivina fa natokana ho an’ny fanamafisam-peo fanampiny sy ny hazavana izao tsangam-baton’ny jobily izao.
Synèse R.




