Fanatsarana ny fanaovana politika : hanamafy fototra aloha ny antoko Marina

Natao tetsy Antanimena, ny sabotsy teo, ny kongresin’ ny antoko Marina. Tapaka tamin’izany ary araka ny fotokevitra fa hohamafisina aloha ny eny ifotony. “Hofanina sy homena traikefa ireo hitantana sy mihevitra ny hitondra ny eny anivon’ny kaominina ato anatin’ny 5 taona ho avy. Hametraka ny fototra tsikeli­kely izahay ho fanatsarana ny fomba fitantanana sy ny fanaovana politika”, hoy ny filoha nasionaly, Ranaivoson Désiré. Hiezaka ny handrakotra kaominina marobe izy ireo. Hiatrika fifidianana sy vonona tanteraka ny antoko, aorian’ izany.
Etsy andaniny, nambarany fa tsy manana kandidà hotohanana ny antoko Marina. Na izany aza, nofaritan’izy ireo ny masontsivana amin’ireo hiro­tsaka hofidina. Anisan’izany ny kandidà manaja ny soa­toavina sy ny fiarahamonina. Manam-panahy ary tsy mihevitra ny tenany ho hany mahavita irery. “Mba tsy ho diso fanantenana hatrany isika. Ilaina ny olona sahaza ny toerana tokony hisy azy ary tokony ho niainga avy eny ifotony izany”, hoy izy. Tsy mandà fiaraha-miasa amin’ireo kandidà anefa ny antoko Marina raha misy hevitra iraisana na tsy itoviana 100% aza.
Tsiahivina fa voafidy tamin’ izao kongresy izao hitantana ity antoko ity, Ranaivoson Jean Desiré, miaraka amin’ny foto-kevitra hamerenana in­dray ny soatoavina sy ny fahama­rinana eto amin’ny firenena, miainga avy eny ifotony.

Synèse R.

Partager sur: