Efa nivoaka avokoa ny valim-panadinana bakalorea 2023 ho an’ny faritany enina ary samy mieritreritra ny zavatra tiany hirosoana eny amin’ny fampianarana ambony ireo tanora nahazo mari-pahaizana.
Ho an’ny oniversite miankina amin’ny fanjakana, tsy mbola nifarana ny taom-pianarana 2022-2023 noho ny fitokonan’ny mpampianatra mpikaroka. Oniversite telo : eto Antananarivo, Fianarantsoa ary Antsiranana no nanambara fa mampiato ny asa fampianarana sy fikarohana amin’izao fotoana izao. Tsy mbola nisy fampahafantarana ny fifaninanana handraisana mpianatra taona voalohany ho an’ny fakiolte rehetra eto Antananarivo. Mandray anjara amin’ny hairanty ho an’ny mpianatra karakarain’ny CIDST manomboka androany ka hatramin’ny sabotsy ny fakiolte ahafahan’ny tsirairay mijery ny lalam-piofanana mahaliana azy, mifanaraka amin’ ny sokajim-pianarana vitany. Anisan’izany ny fakiolten’ny Toekarena, fitantana ary ny sosilojia anatin’ny oniversiten’ Antananarivo. Mbola mikarakara hairanty natokana ho an’ny mpianatra koa ny oniversiten’Antananarivo ny 7 sy 8 septambra ho avy izao, ahitana ireo lalam-piofanana atolotry ny fakiolte tsirairay. Hisy ihany koa ny varavarana misokatra manokana mandritra ny andron’ny « Faculté EGS » aorian’izay.
Fifaninanana no handraisana ny mpianatra L1 vaovao ary misy koa ny lalam-piofanana momba ny asa avy hatrany handoavana sarany manokana amin’ny « Mention » sasany.
Ho an’ny Institut supérieur de technologie (IST) Antananarivo, efa nifarana omaly ny fametrahana ny antontan-taratasy hifaninana hidirana ho taona voalohany (L1). Hikatona rahampitso kosa ny torolalana ho an’ny mpianatra hiditra L1 efa nosantarina ny 14 aogositra lasa teo ho an’ny Sekoly ambony katolika UCM Ambatoroka.
Vonjy A.




