« Branchement mora » : tonga ny kaontera andiany faharoa miisa 25 000

Tetikasa hampisitrahana herinaratra ho an’ny tokantrano marefo manerana ny Nosy ny “branchement mora”. Niampy 25 000 isa indray ny kaontera hojifaina amin’ny vidiny 30 000Ar.

Tetikasa natao hitsinjovana ny sarambabem-bahoaka ny “branchement mora”. Afaka misitraka izany ireo tokantrano voama­rin’ny fokontany sy misoratra ara-dalàna ao aminy. Kaontera 25 000 isa indray
no tonga eny Ambohimanam­bola sy Ankadievo, omaly.
30 000Ar ny saran’ny fisitrahana miaraka amin’ireo kits, toy ny taribian-jiro 30m, takamoa LED, “prises”. Ahafahana mandefa fahitalavitrakely sy fitaovana hafa tsy mandany herinaratra. Miaraka amin’ny fahana 10KW io sarany io raha lasa 9 500Ar isam-bolana ny sara aloan’ny mpanjifa aorian’izay. Voapetraka avokoa ny 70%-n’ireo kaontera 5 000 tonga tamin’ny volana mai teo . “Tanjona ny hampidirana kaontera hatramin’ny 200 000 isa amin’ity taona ity”, hoy ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriama­nampisoa Solo. Notohizany fa mahatratra 170 000 ny olona nisoratra anarana, efa ho avy ihany koa ireo kits 90 000 isa. Tsy maintsy ho voazara ao anatin’ny telo volana kosa ireo kaontera 25 000 ireo.
Mandritra ny lalaon’ny Nosy
“Tsy misy olana ny fitaterana solika na miditra anatin’ny vanim-potoana maintany aza isika. Manara-maso akaiky ny minisitera”, hoy hatrany ny minisitra. Tsy hisy ny fahatapahan’ny herinaratra ary efa misy groupe ireo toerana hanaovana lalao amin’ny alina. Ankoatra izay, maro ny jiro napetraka hitsinjovana ny fodiana alina. Hisy ihany koa ny fiara fitateram-bahoaka amin’ny alina mandritra izany. Tsy ho tapaka, araka izany,
ny herinaratra mandritra ireo fotoana ireo, miasa andro aman’alina ihany koa ireo fiara mpitatitra solikyny orinasa Jirama.

Henintsoa Hani

Partager sur: