Nankalazaina tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny faha-55 taonan’ny FJKM. Ankoatra ny firesahana ny fiainam-piangonana, nitondra hafatra ho an’ny mpanao politika koa ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi nandritra izany. “Eo amin’ny sehatry ny politika, ho kristianina vavolombelon’i Kristy. Ka i Jesoa Kristy no tompon’ny baiko, fa tsy ny antoko […]
Mois : août 2023
TSELATRA
Namoy ny ainy taorian’ny faharatrany ilay tovolahy niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny Ambohitrimanjaka, ny alahady teo. Nifandona tamin’ny fiara, tapaka ny fen’io lehilahy tra-doza io. Nentina novonjena teny anivon’ny hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy. Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Romana 12 : 8 no nentin’ny Seg teo aloha, ny Jly Ravalomanana Richard namehy […]
Tao anaty toeram-pandihizana : renioney iray tratra niaraka tamin’ny cocaïne 4 g
Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup) Anosy tamina toeram-pandihizana iray eto an-drenivohitra, ny sabotsy alina teo, ny teratany renioney iray 42 taona. Voarohirohy tamina raharaha fandraisana zava-mahadomelina mahery vaika. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy tamin’ireo toeram-pandihizana no nahatrarana ity mpizahatany Renioney ity niaraka tamin’ny cocaïne milanja […]
Nandroba mpivarotra : matin’ny fokonolona ilay dahalo
Potiky ny bala ny lohaliky ny dahalo iray anisan’ireo nandroba mpivarotra tao Soatana, distrikan’Antsahalova, faritra Melaky, afakomaly. Mpivarotra trondro maraina no norobain’ny enin-dahy. Lasa hatramin’ny entana. Niantso vonjy tamin’ny olon-tsotra manodidina ireo lasibatra. Nanara-dia ireo tsy vahalara ny mpiambina iray. Nitondra fitaovam-piadiana io mpiambina io ary nanampy azy ny fokonolona. […]
Fakana an-keriny: telo maty voatifitra, fito voasambotra
Lavon’ny bala ny telo tamin’ireo dahalo mpaka an-keriny nokarohina tao amin’ny distrikan’Anjozorobe, ny 19 aogositra teo. Tratra ireo mpiray tsikombakomba. Maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana ny dahalo sady mpaka an-keriny telo lahy tao amin’ny kizo Marotsingala, fokontany Antanetibe, kaominina Beronono, distrika Anjozorobe, afakomaly. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana […]




