Mois : août 2023

VAOVAO TAMBATRA

Vita ny lalana « rocade extérieure » ao amin’ny kaominina Betsinjaka Toliara sy ny lalana rarivato antsoina hoe Andakoro, ao an-tampon-tanànan’i Toliara ; nohavaozina ho lasa hanana fanamarinana iraisam-pirenena koa ny seranam-piaramanidina. Hampitombo ny mpizahatany ireo, nilaza ny filoha Rajoelina ny hitandroan’ny mponina ny fahadiovana. Misy tetibola manokana ampiasain’ny Madagascar National Parks […]

Vita ny RN 9: nidina 60% ny saran-dalana

Hita avy hatrany ny tombontsoa entin’ny fahavitan’ny lalam-pirenena fahasivy (RN 9) ho godirao. Mihena ny faharetan’ny fotoana hanaovana ny lalana, sady nidina koa ny saran-dalan’ny taksiborosy. Ho an’ny fifamoivoizana Toliara mankany Bevoay, nilaza Raza­findramosa Germain, mponina any amin’ny kaominina Anka­tsa­katsa, akaikin’i Bevoay, fa nihena adiny 3 ny faharetan’ny dia, raha […]

Tahirim-bola saodianina: 69 tapitrisa dolara ho an’ny tetikasa enina

Na tsy re loatra aza, anisan’ny manana ny toerany amin’ny fampandrosoana eto amintsika, ny Tahirim-bola saodianina (SFD). Hitondra fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy any amin’ny tapany atsimo andrefan’i Madagasikara ny fahavitan’ny tetezana any Mangoky. Anisan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena manana ny lanjany eto Madagasikara ny Tahirim-bola saodianina ho an’ny fampandrosoana (SFD). Anisan’izany […]

TARATRY ny KANTO

Kabary sy kilalao malagasy. Mitohy hatrany ny fampianarana kabary sy kilalao malagasy, maimaim-poana, karakarain’ny CUA, amin’ny alalan’ny DACVC, sy ny fikambanana Manda Mpikabary. Ahitana izany avokoa ny boriborintany enina ary ny ankizy latsaky ny 15 taona no misitraka izany. Tantara an-tsehatra. Any Ambatomirahavavy indray ny ekipan’ny Iray Fy’Art, ny 9 […]

Mozika mifangaro: hanome voninahitra ireo efa lasa ry Sivy Mahasaky

Miavaka raha samy tarika! Mpanakanto samy manana ny karazana mozika iangaliany, ary samy kalaza amin’izany, no mandrafitra ny Sivy Ma­hasaky. Hevitra nipoitra avy tamin’i Tsilavina Ralaindimby io tany am-piandohana. He­vitra hafahafa, kanefa nanokatra ny fijerin’ny maro ny mozika malagasy: mpanakanto mpivoy ny hira vokatry ny tany, miaraka amin’ny mpiangaly rock, […]