Hitana ny sain’ny rehetra amin’ity faran’ny herinandro ity, ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona, taranja baolina kitra. Fihaonana, hifandonan’ny Elgeco Plus sy ny Gaborone FC, eo amin’ny lalao savaranonando mandroso. Hotanterahina anio sabotsy, manomboka amin’ny 5 ora hariva (ora Malagasy) ao amin’ny kianja Gaborone National Stadium, ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona (CAF), […]
Mois : août 2023
VAOVAO TAMBATRA
Nanomboka omaly ary haharitra telo andro ny tsenaben’ny atody, andiany faharoa, atao eny amin’ny kianjabe Antanetibe Mahazaza, Mahitsy. Tanjona ny hisian’ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny mpamatsy sakafo ho an’ny biby fiompy sy ireo tantsaha mpiompy. Eo koa ny fampiasana ny fitaovana ara-teknolojia mba hanatsarana sy hampitomboana ny vokatra. Nanaraka fiofanana […]
Fandaharanasa « Défis » : tohana ho an’ny fampandrosoana ny tantsaha
Hampivoarana ny fiainan’ny tantsaha sy hahazoany fidiram-bola maharitra ho enti-miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ireo no apetraky ny fandaharanasa « défis », ho fampandrosoana ny fambolena sy ny fiainana isan-tokantrana eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Miasa amina faritra valo any atsimon’ny Nosy ity fandaharanasa ity ho fanohanana ny fiainam-pianakaviana. Miainga ao amina […]
Mangoky : tetezana lava indrindra, mirefy 878 m
Napetraky ny filoha Rajoelina, omaly, ny vato fototra, hanombohana ny asa fanamboarana ny tetezan’i Mangoky, any amin’ny lalam-pirenena fahasivy (RN 9), faritra Atsimo Andrefana. Lava indrindra eto Madagasikara ity tetezana ity satria mirefy 878 m. Hanao ny asa ny orinasa sinoa, CRCC. Mamatsy vola ny Tahirim-bola saodiana ho an’ny fampandrosoana […]
FOTODRAFITRASA FAMPANDROSOANA : vita ny lalana 187 kilometatra
Mitombo hatrany ny isan’ny lalana vita godirao eto amintsika. Anisan’izany ny lalam-pirenena, RN 9, manamora ny fifandraisana sady mitondra fampandrosoana. Notokanan’ny filoha Rajoelina, omaly, tany Ankantsakatsa, ny lalam-pirenena fahasivy RN9. Miainga eo Toliara hatrany Bevoay, hatrany Manja, mirefy 187 km, vita godirao tanteraka. Nanomboka tamin’ny 2020 ny asa, nizara roa ny nanatanterahan’ny orinasa, China […]




