Mois : août 2023

Jobily faha-25 taonan’ny Feo miantso”: hiaraka ny antsan-kira sy ny fanatanjahantena

Hiavaka ny fanamarihana ny faha-25 taona. Hatao ny 24 septambra izao ny antsan-kira lehibe hiarahan’ny antoko mpihira Feo miantso, tompom-pety sy ny tarika Ndriana Ramamonjy, hatao eny amin’ ny FLM Tsarahonenana. Hitohy ny 30 septambra izany amin’ny sakafom-pifaliana anasana ny rehetra eny Anka­dindramamy. Mialoha izany, eo koa ny fifaninana fanatanjahantena ho an’ny taranja kitra sy […]

Filohan’ny Ceni : “Tsy misy atahorana ny vola ho an’ny fifidianana”

Nanala ny ahiahin’ny rehetra, indrindra fa ny mpanao politika ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’izy ireo fa tsy olana ny ho enti-manana amin’izany. “Tsy misy atahorantsika ny vola hanaovana fifidianana. Koa aza miahiahy isika ny amin’izay”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andria­­narisedo Dama A., teny Alarobia, afakomaly. Miantso ny mpanao politika sy ny firaisamonina sivily […]

Hetsika “Mandresy Madagasikara” : hoentina am-bavaka ny firenena

Nanomboka omaly, tany an-tendrombohitra Ambon­drombe ny hetsika “Mandresy Madagasikara”, karakarain’ny Von­drom-bavaka dian’ny finoana (Vdfi). Hotanterahina manerana ny faritra 15 eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice izany manomboka amin’ity faran’ny herinandro ity. Manana anjara andraikitra goavana amin’ny fitondrana am-bavaka ny firenena, indrindra amin’izao vanim-potoana fifidianana izao izy ireo. “Vavaka ho an’ny […]

Minisiteran’ny Fiarovana… : miaramila Amerikanina telo lahy nomena mari-boninahitra

Notontosaina teny amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, afakomaly, ny lanonana ara-miaramila nanolorana mari-boninahitra ireo tomponandraikitra telo mirahalahy miasa eo anivon’ny masoivoho amerikanina eto Madagasikara. Ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoa­rijaona Josoa, no nitarika ny lanonana, notronin’ny mpiandraiki-draharaha ao amin’ny Masoivoho Ame­rikanina, Ann Williams, nisolo tena ny ambarasadaoro. Ho fankasitrahana ny asa vitan’izy ireo […]

Tobim-pahasalamana an-tsekoly: ho am-perinasa tanteraka amin’ity taona ity

Efa miparitaka eny amin’ny fari-piadidiam-pampianarana ireo mpitsabo mpanampy hisahana ny fitsaboana ny ankizy eny amin’ny tobim-pahasalamana an-tsekoly, raha ny tatitry ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena. Nanaraka fiofanana izy ireo ary nahazo ny fifanarahana arakasa. Efa vonona ihany koa ny fitaovana sy ny fanafody handraisana an-tanana ny tranga mety hiseho amin’ny mpianatra eny an-tsekoly. Raha sanatria tra-doza tampoka na tsy […]