Misaona ny tontolon’ny indostria malagasy. Nodimandry ny alatsinainy lasa teo, teo amin’ny faha-86 taonany ny filoha tale jeneralin’ny orinasa “savonnerie tropicale”, Ramaroson André. Tsy zoviana amin’ny rehetra ny anaran’ity mpandraharaha ity. Mpamaky lay amin’ny fananganana orinasa mpanao savony teto Madagasikara izy. Mpandraharaha niady hatrany ho an’ny fampandrosoana ny orinasa malagasy. […]
Mois : août 2023
Fampandrosoana lovain-jafy : tranon’ny diplaomasia maitso
Miara-miasa ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (Medd), sy ny Vondrona eoropeanina (UE), amin’ny alalan’ny fandaharanasa « Rindra », ao anatin’ny Fed andiany faha-11. Entina hiarovana ny tontolo iainana sy ahafahana miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ny fiaraha-miasa. Manana tanjona hametrahana fandrindran’asa hisian’ny fampandrosoana lovain-jafy ny minisitera. Hanatanterahana izany ny tohana […]
« Drafitrasa Fia mora » : Jifaina 4 000Ar ny kilaon’ny trondro
Mbola ambany ny tahan’ny fihinanan’ny Malagasy hazandrano noho ny tsy fahefa-mividy sy ny antony samihafa. Natomboka eto an-drenivohitra sy haparitaka amina faritra maro ny drafitrasa « Fia mora », hanovana sy hampirisihina ny fihinanana trondro. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ilay drafitrasa « Fia mora » hanampiana sy hampirisihina ny Malagasy hihinana trondro. Vidiana […]
SOMBIM-BAOVAO
Kitra amboaran’ny filoha. Tsy tafavoaka tao amin’ny vondrona B ny ekipa voafantin’i Boeny, tompondaka farany, fifaninanana « Coupe du Président ». I Antsiranana sy i Fianarantsoa no miatrika ny lalao manasa-dalana. Araka izany, ny ekipa voafantin’Antsiranana no hifanandrina amin’Antananarivo eo amin’ny dingana manaraka. TMF Rally. Norombahan-dRasoamaromaka Faniry sy Randriambololona Mahenintsoa, mitondra ny […]
Amboaran’ny kaonfederasiona : 20 ireo mpilalaon’ny Elgeco lasa any Botswana
Hanainga anio, hihazo an’i Botswana, ny ekipan’ny Elgeco Plus Foot-ball Club. Hiatrika ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona (CAF). Fihaonana, hikatrohana amin’ny Gaborone United, ny sabotsy 19 aogositra ho avy izao, ao amin’ny kianja Gaborone. 20 ireo mpilalao hiatrika izany. Nanatevina ity ekipan’Analamanga ity i Feno, lohalaharan’ny Ajesaia […]




