Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana nahafantarana ny solontenan’ny tanànan’Antsirabe sy Fianarantsoa ary Mahajanga, amin’ny “Slam nationale 14”. Ny Alliance Française any an-toerana no nandray ny hetsika sy manohana ary manampy tamin’ny fikarakarana. Efa manana solontena araka izany ny tanàna dimy amin’ny roa ambin’ny folo, handray anjara amin’ny fifaninanana […]
Mois : août 2023
Basikety – JIOI 2023 : voaantso handrafitra ny Ankoay 5×5 sy 3×3 i Livio, Elly, Arnol
Fantatra ny alahady lasa teo, ny anaran’ireo atleta Malagasy hiaro ny voninahi-pirenena, taranja Basikety 5 x 5 sy 3 x 3, mandritra ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023. Hanomboka afaka sivy andro ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay hatao eto amintsika, ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy izao. Namoaka […]
Rasoamaromaka Hery: “Tsy tompon’andraikitra amin’ny hadalan’ny hafa ny filoha”
“Ireo olona omena toerana matetika manondrana. Tsy tompon’andraikitra amin’ny hadalan’ny hafa ny filoham-pirenena. Aleo hihatra aminy ny lalàna”, hoy ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, ny alatsinainy teo, raha nilaza ny heviny mahakasika ny raharaha Randrianarisoa Romy. Ireo olona noheverina fa hanavotra ny firenena sy hanampy ny filoha no mamoa-tsampona […]
Andrianarisoa Romiary : nesorina tsy ho talen’ny kabinetran’ny Presidansa
Enim-bolana taorian’ny nanendrena azy ho talen’ny kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika, nesorina i Andrianarisoa Romiary. Fikasana hanao kolikoly no antony. Vita hatreo ny ny fiaraha-miasa amin’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny talen’ny kabinetra, Andrianarisoa Romiary. Dimy andro taorian’ny nisamboran’ny mpanao famotorana anglisy azy tany Londres, nilatsaka ny didy fanafoanana ny fanendrena. […]
VAOVAO TAMBATRA
Nametrahana jiro cobra eny Ankorondrano sy eny amin’ny village Voara Andohatapenaka, entina hanazavana ny lalana hivezivezen’ny rehetra, indrindra amin’ny alina.. Maro anefa ireo faritra niharan’ny fahatapahan’ny herinaratra, omaly. Betsaka ireo mpiara-monina nitondra faisana indray amin’ny hafitsoky ny orinasa Jirama. Kaoperativa amina kaominina 13 avy ao Bongolava no notolorana zezika «sulfate […]




