Mois : août 2023

AS.NA.KU.FU.MA.BEH.MIRAY : niala tsiny tamin’ny federasiona ny Kung fu

Andro vitsy aty aoriana, nanao taratasy fialantsiny ho an’ny filohan’ny federasion’ny Kung Fu ny fikambanana AS.NA.KU.FU.MA.BEH.MIRAY. Voarakitra anatin’izany, izay nosoniavin-dRalaivelomaharavo Albert, filoha amperinasan’ny fikambanana, fa maneho ny fialan-tsiny tanteraka amin’ny Grand Maitre Rakotoarijaona Avoko sy ny fianakaviany ary ireo rehetra nahatsiaro tafintohina tamin’ilay fanambarana nataony, tamin’ny talata 1 aogositra, momba […]

Kitra D2 Nasionaly : 12 ny ekipa tafita amin’ny dingana faharoa

Nifarana ny alatsinainy lasa teo, ny lalao dingana voalohany “Ligue des Champions”-D2 Nasionaly. Ireo telo voalohany isam-bondrona no tafita hiatrika ny dingana manaraka. Tsy anisan’ireo ekipa tafita amin’ny dingana faharoa, fifaninanana “Ligue des Champions” D2 Nasio­naly, ny Five FC sy ny FC Rouge Analamanga. Miisa 12 ny klioba hiatrika izany […]

INDRAY MIJERY

Hanao fivoriana sy fitokonana eny amin’ny Esplanade Ankatso ny mpampianatra mpikaroka ao amin’ny sendikà, rahampitso. Hijery ny tohin’ny hetsika fitakiana samihafa izy ireo. Mitsahatra ny fampianarana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, miandry ny famitana ny taom-pianarana 2022-2023. Mahatratra 15 000 ireo tokantrano misitraka ny “Ankohonana Miatrika” ao Antsiranana. Vola 250 000Ar isan-tokantrano […]

Faritra Anosy : nohamafisina ny fahaiza-manao momba ireo sehatra asa tekinika

Nikarakara fampiofanana ireo sehatra asa tekinika sivy ny Tekfutura. Nampahafan­tarina ny herinandro lasa teo, tany amin’ny faritra Anosy, ny antontan-kevitra enti- manofana momba izany. Notantera­hina teny amin’ny misinitry ny varotra sy ny indostria tany Taolagnaro ny lanonana ofisialy. Tafiditra ao anatin’ny tondrozotra sy dingana hampivelarana ny sehatra asa teknika eto […]