Tsy hanaiky ny tapaky ny Vaomiera eoropeanina izay mametra ny taha farany ambony azo ekena amin’ny fisian’ny nikotinina ao anaty lavanila ny firenena malagasy. Hitsangana ny “task force” misy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny minisiteran’ ny […]
Mois : août 2023
VAOVAO TAMBATRA
Haka traikefa amin’ny fahombiazan’i Rwanda amin’ny fampandrosoana ao anatin’ny fotoana fohy i Madagasikara. Hitarika ny delegasiona malagasy ny filoha Rajoelina, miaraka amin’ny minisitra vitsivitsy ary Malagasy mpandraharaha, ny 7 sy 8 aogositra ho avy izao. Hisy fifanarahana fiaraha-miasa hatao sonia eo amin’ny roa tonta. Hotokanana ny 17 aogositra ho avy […]
CNaPS : tale jeneraly vaovao Rahaingonjatovo Vimbina
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny 2 aogositra teo, ny fanendrena an-dRahaingonjatovo Vimbina, ho tale jeneraly (DG) vaovao, hitantana ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS). Miisa dimy ny nandrotsaka antontan-taratasy hofidin’ny fanjakana, ka izy izany no voasivana farany. Miverina miasa daholo ny mpiasan’ny CNaPS rehetra sady misokatra amin’ny ora mahazatra […]
Madagasikara sy La Réunion : fiaraha-miasa amin’ny seha-pihariana mitondra fampandrosoana
Mitohy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa isam-paritra eo amin’i Madagasikara sy La Réunion. Seha-pihariana maro no tsidihan’ny delegasiona malagasy ikarohana fiaraha-miombon’antoka sy lalam-barotra Mitsidika atsy La Réunion ny delegasiona tarihin’ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana, miaraka amin’ny Malagasy mpandraharaha. Manotrona azy ireo koa ny loholona isany, Eddie Fernand Serge (sady kestora) […]
INDRAY MIJERY
Mitohy ny hitetezan’ireo fiaraben’ny fahasalamana ireo distrika maro manerana ny Nosy. Olona 1 901 no noraisina an-tanana maimaimpoana tao amin’ny distrikan’Antsohihy anatin’ny hetsika fanomezana tolotra ara-pahasalamana “Sarobidy ny aiko”. 5 703 kosa ireo olona voaentana mahakasika ny herisetra mifototra amin’ ny maha lahy na maha vavy (VBG). Efa nankatoavina nandritra […]




