Navoakan’ny HCC, afakomaly, ireo antontan-taratasy ilaina ho an’ireo kandidà hirotsaka hofidina ho filoham-pirenena. Miisa 15 izany ka anisany ny fanamarinana ny fandoavan-ketra, ny fanambaram- pananana sy ny fanamarinam-ponenana ary ny kara-pifidianana. Tsiahivina fa hanomboka ny 23 aogositra izao ny fametrahana ny antontan-taratsy. Hanao fitsidihana ofisialy any Rwanda ny filoha Andry […]
Mois : août 2023
Fifidianana filohan’ny Repoblika : tsy mbola afa-mandray anjara ireo diaspora
“Efa samy mahalala isika fa 11 043 836 ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana. Tsy miakatra ary tsy mihena io. Izay voasoratra amin’izay no hifidy amin’ny 9 novambra”, hoy ny mpanolotsaina eo anivon’ny Ceni, Ravalitera Jacques Michakël, momba ny fanomanana sy fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika. Noho izany, tsy mbola afa-mandray anjara […]
Praiminisitra Ntsay Christian: “Aoka isika vahoaka tsy ho voarebireby…”
Nanokatra amin’ny fomba ofisialy ny atrikasam-paritra ho an’ny fametrahana fandriampahalemana, tanterahina any Menabe, ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly. Nisy hafatrafatra nampitainy tamin’izany. “Aoka isika tsy ho voarebireby na hadalain’ ny mpanao politika sy ny fahavalom-pirenena fa hijoro ka hanatanteraka ny asa miandry amin’ny fifidianana ny ho filohan’ny Repoblika, hitondra ho […]
Fanovana sy fiovana
Hatramin’izao, mbola mahabe adihevitra ny sasany ihany ny amin’ny anto-bola 200 tapitrisa Ar amin’ny firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika. Tsy misy Malagasy hahita sy hanana an’izany. Tsy mahafa-bela ny fanoherana izay mitranga sy atao rehetra? Na tsy mety ho kolontsaina ny fankatoavana sy fanajana avy hatrany ny didy aman-dalàna, tsy […]
TSELATRA
Olona iray naratra, vokatry ny fifandonana Sprinter roa tamina kamiao iray tao Tsaramanga Ambatofotsy, omaly tamin’ny 3 ora maraina. Nijanona teo amin’ny fiolahana anaty fiakarana io kamiao io. Tsy nahitan’ny mpamily Sprinter mari-pamantarana izany ka nitarika ny loza. Tsy nisy ny aina nafoy. Taxi iray hotohoton’ny afo tetsy Anosy, omaly […]




