Mois : août 2023

Sombim-baovao

Araka ny nambaran-dRakotondrabe Romuald, mpanazatra ny Barea, mpilalao 5 avy atsy La Réunion no nantsoiny hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Anisan’iza­ny, i Ando Pro, milalao ao amin’ny JS ST Pierroise. Eo koa i Théodin Ramanjary, vodilaharan’ny AS Sainte Suzanne sy i Rojo Be irakiraky ny Saint Pauloise […]

Judo-Frankôfônia : votsotra teo an-tanan’ i Mireille ny medaly

Judokas tokana tafakatra tamin’ny dingana farany, omaly, tamin’ireo Malagasy nifaninana teo amin’ny taranja Judo, ao anatin’ny lalaon’ny Frankôfônia, Andriamifehy Mireille (-52kg). Votsotra teo am-pelatanany anefa ny me­daly alimo, rehefa resin’ny mpifanandrina taminy, Ka­me­rone, izy. Tsiahivina, nandresy tamin’ny Ippon, nanoloana ny Judokas Senegale, i Sonko Dioddo, i Mireille, ta­min’ny fifanintsanana. Ho […]

Kitra – Fifanintsanana Can 2023: ny 7 septambra ny fihaonan’i Angola sy i Madagasikara

Hotanterahina ao amin’ny kianjan’i National de Lubango, ny 7 septambra ho avy izao ny fihaonana miverina eo amin’i Angola sy i Madagasikara. Marihina fa andro farany amin’ny fifanin­tsanana “Can Côte d’Ivoire 2023”, taranja baolina kitra, ity lalao hatao ity. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tao anaty tambajotran-tserasera, omaly. […]

MDN : nankahery ny mpilalao tenisy

Tonga nankahery ireo atleta malagasy handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy 2023 hatao eto amintsika ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa sy ny minisitry ny Asa vaventy, ny Kly Ndriamihaja Andrianatrehina Livah ary ny minisitry ny Asa tanana sy ny haitao, Ratsiraka Sophie. Ireto minisitra ireto no mpiahy […]

Boriborintany V : 50 ireo ankizy nahazo fampianarana kabary sy kilalao malagasy

Nisokatra omaly alarobia ny andiany voalohany amin’ny fampianarana kabary sy kilalao malagasy eny anivon’ny boriborintany enina eto Anta­na­narivo. Hetsika karakarain’ny Fitaleavana misahana ny haikanto, kolon­tsaina ary ny fiainam-piarahamonina eo anivon’ny CUA sy ny Manda mpikabary. Tilina sy andrasana amin’izany, ireo ankizy latsaky ny 15 taona. Tonga maro ireo ankizy nandritra ny […]