Mois : août 2023

INDRAY MIJERY

Filoha mpitarika ny Seces sampana Anta­nanarivo. Mitaky fisaonam-pirenena manoloana ny famoizana aina maro, vokatry ny fifanosehana niseho, nandritra ny lanonana fisantarana ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11 teny Mahamasina izy ireo. Mirary fahasitranana ho an’ireo mbola mitsabo ary miara-miory amin’ireo namoy havana izy ireo. Anio no hanapaka ny tohin’ny hetsika ny […]

Avy amin’ny volan’ny kaominina : nahavita fotodrafitrasa maro Ambatoboeny

Mametraka fomba fiasa madio sy mangarahara mampandray andraikitra ny daholobe ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Ambatoboeny, Rako­tonandrasana Jean Valerien. Isan-taona, mahatsangana fotodrafitrasa avy amin’ny volan’ny kaomina madiodio izy sy ny ekipany. Notokanana ny herinandro teo ny sekoly tao amin’ny fokontany Anka­rambilo. Raha itodihana ny zava-bita nandritra ny fe-potoam-piasany indroa nisesy, miroso […]

67ha : nodiovina ny faritra eny amin’ny Parking

Nodiovina ny lalana sy ny faritra eny amin’ny Parking 67 ha Avaratra Atsinanana, ny sabotsy lasa teo. Nanatanteraka izany ireo mpikambana eo anivon’ny Association des jeunes forts pour le développement de Madagascar miaraka amin’ny « les abonnés », mpampiasa ny fiantsonana. « Ho fanampiana ny mpitantana eo anivon’ny kaominina amin’ny fanadiovana ny tanàna […]

Nanomboka ny 2018: miaina anaty fahantrana ny 66,9% amin’ny zaza

Mahazo vahana ny fahantrana lalina eo anivon’ny fianakaviana. “Indrindra ireo entin’ny renim-pianakaviana irery izay tsy nandia fianarana na nisara-bady”, hoy ny MODA. 66,9% amin’ny zaza malagasy no iharan’ny fahantrana marolafy. Antontanisa tsy niova nanomboka ny taona 2018 no ho mankaty, araka ny fanadihadiana momba ny tsy fisitrahan’ny ankizy ny zony […]

Seho an-tsehatry ny tanora: niara-nankafy ny “Bodu Beru” ny rehetra

Tontosa omaly, teny amin’ ny Arena Ivandry, ny andro fa­haroan’ny « Volet Jeu­nesse », na ny seho an-tsehatry ny tanora, mandritra ity lalaon’ny Nosy andiany fahatelo ity. Nisy ny seho an-tsehatra manokana nataon’ny tanora avy ao amin’ny Nosy Maldives, anisan’ny nampahafantarin’ izy ireo tamin’izany ny “Bodu Beru”. Ankoatra izay, nisy ny fampahafantarana […]