Mbola miahiahy! Tafapetraka ny sabotsy teo ny antontan-taratasy filatsahan-kofidin’ ny kandidà Annick Ratsiraka avy amin’ny Arema. Nisolo tena azy teny amin’ny HCC Ambohidahy ny Pr Ange Andrianarisoa. Nambaran’ izy ireo fa tsy nahitana olana ny fanangonana ny antotan-taratasy sy ny fanarahana ny pitsopitsony, takin’ny lalàna. Na izany aza, mbola an-dalam-pandinihana […]
Mois : août 2023
Madinika mandinika
Ao anatin’ny fifidianana tanteraka izao; eny, na eo aza ny tsikera etsy sy eroa, na fanaratsiana, fanakiviana. Toy ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy io? Tsy miandry ny tsy afaka na tsy te handeha. Amin’izao, eo hatrany ny fampitahorana ny mety hisian’ny korontana politika mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. […]
Rajaonarimampianina Hery : kandidà filoham-pirenena faha-13 nanao fanambarana
Tapaka nandritra ny roa andro tetsy Andraharo ary nambara ofisialy fa kandidàn’ny HVM, amin’ny fifidianana ny filoham-pirenena, Rajaonarimampianina Hery. Miisa 13 izany izao ireo kandidà nanambara ny fahavononany hirotsaka. “Latsaka an-katerena ny firenena ka mila fanavotana amin’ny fomba matotra sy anaty fitoniana. Hovaliko ny antsoantsonareo ka nanapahako hevitra fa hilatsaka […]
TSELATRA
Tovovavy iray tsy ampy taona nahatraran’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina rongony 659 kilao, ny alarobia teo, teny By Pass. Vokatry ny angom-baovao mari-pototra, nanao be midina nijery ny teny an-toerana ny tomponandraikitra. Renim-pianakaviana iray nikasa hamono tena hiaraka tamin’ny zanany vavikely, teny Anosizato Atsinanana, ny faran’ny herinandro teo. […]
Nafenina tanaty gony : basy kalachnikov sy basim-borona roa hitan’ny zandary
Basy kalachnikov iray niaraka tamin’ny basim-borona roa no hita nofonosina tao anaty gony ary nafenina anaty lavaka tao Tsipangalava fokontany Miadampaonina, kaominina ambanivohitr’Ambandrika, afakomaly. Nahitana fitaovan-dakozia toy ny sotro sy vilia ary vilany nofehezina anaty lamba koa niaraka tamin’ireo fitaovam-pidiana ireo. Fantatra, araka ny fanazavan’ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny […]




