Mois : septembre 2023

Baolina kitra : hifanandrina i Bénin sy i Madagasikara

Araka ny fikarohana natao omaly, ny volana oktobra ho avy izao no mety hiakatra kianja ny Barea de Madagasi­kara, ekipam-pirenena Bao­lina kitra. Raha ny nambaran’i Gernot Rohr, alemà mpanazatran’i Bénin, azo heverina ny hisian’ny lalao ara-pirahalahiana izay hifanandrinan’i Bénin sy i Madagasikara amin’io fotoana io. Filazana nampitany tao amin’ny televiziona […]

Sombim-baovao

Araka ny vaovao navoakan’ny kaomisionina vehivavy, baolina kitra eo anivon’ny FMF. Noto­loran’ ny Telma fanampiana ireo ekipam-pirenena, vehivavy, ny alakamisy lasa teo, teny Carion. Marihina fa hiatrika ny “Cosafa Women’s Cup” ny 4 – 15 oktobra ho avy izao, izy ireo. Nanolotra fanampiana ihany koa ny filohan’ny Kaomisionina vehivavy FMF, […]

Miarinarivo Itasy : nahazo kianja ho an’ny taranja iraisana

Nisokatra ofisialy, ny alakamisy teo, ny kianja “multisport” ao Miarinarivon’Itasy. Kianja manara-penitra ho an’ny taranja iraisana: basikety, volley ary handball. Tetikasa natao indrindra ho an’ny tanora mpanao fanatanjahantena ity ary tanjona ny hampiroborobo ireo taranja ireo ao amin’ny faritr’Itasy. Ny Sekreteram-panjakana miandraikitra ny tanàna vaovao no nitokana ireo kianja ireo, […]

Rugby – XXL Energy Top 20: ho fantatra rahampitso izay hiatrika ny famaranana

Fihaonana goavana miandry ny mpitia fanatanjahantena, indrindra fa ny rugby, ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara XXL Energy Top 20. Hiady izany ireo ekipa 4 sangany, ny Uscar sy ny FTM ankilany ary ny Cosfa sy 3FB andaniny. Lalao hanamarika ity fa­ran’ny herinandro ity ny ankatoky ny famaranana hiadiana […]