Mahavelona sady mampidi-bola isan’andro ny fivarotana “jus fary”. Mahalany fary hatramin’ny 4 t ny mpivarotra iray rehefa mandeha ny tsena. Manodidina ny 120 000Ar kosa ny vola maty isan’andro. Mitaky herin-tsandry ny fanodinana ny masinina mitoto ny fary. Omena tari-dalana ho amin’ny fanondranana lohamenaka any amin’ny tsena amerikana ireo mpisehatra amin’izany. […]
Mois : septembre 2023
Fandaharanasa Better Work : nodinihina ny hisian’ny asa mendrika
Natao ny 27 septambra teo, teto Antananarivo, ny atrikasa mikasika ny rohim-pamatsiana vokatra. Nandray anjara tao ny solontenan’ny minisitera voakasika, ny vondrona mpampiasa, ny sendika, ny mpiasa, ny mpitantana, ny mpianatry ny oniversite, sns. Nikarakara ny Better Work Madagasikara, fandaharanasan’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) sy ny Orinasa ara-bola […]
Fampandrosoana ny toekarena : omena tosika ny sehatrasa madinika
Betsaka ireo manampahaizana hita amin’ireo sehatra madinika sy tsy manara-dalàna. Miezaka mamorona sy manavao ny asa tanany izy ireo. «Tokony hampirisihina sy tohanana izy ireo mba hampandrosoana ny toekarena ho an’ny firenena », hoy ny akademisianina sy mpampianatra any amin’ny université de Kyoto, Dr Takahashi Motoki, nandritra ny fiofanana narahina velakevitra […]
Tsenan’ny lavanila: niakatra 280% ny varotra tao anatin’ny telo taona
Ambony ny tsenan’ny lavanila tao Andapa nandritra ny telo taona niaraha-niasa tamin’ny USAID. Nanatsara ny fidiram-bolan’ny mponina ny vokatra azo sady nahafahana niaro ny tontolo iainana. Tsara ny tsenan’ny lavanila tao Andapa tao anatin’ny telo taona. Tafakatra 280% ny varotra azon’ireo mpamokatra tohan’ny govenemanta amerikana tamin’alalan’ny Sampandraharaha amerikana misahana ny fampandrosoana […]
mpikambana amin’ny Biraom-pifidianana: tsy maintsy feno alohan’ny folo oktobra
“Raha tratra aoriana indrindra, tsy maintsy tafapetraka 30 andro mialoha ny datim-pifidianana ny mpikamban’ny biraom-pifidianana. Raha amin’ ny 9 novambra ny fifidianana, ny 10 oktobra no 30 andro mialoha an’izay”. Io ny fanazavan’ny filoha lefitra voalohan’ ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina, momba ny mpikamban’ny birao fandatsaham-bato. Olona dimy no mpikamban’ny birao […]




