Ny Ensoa (Ecole nationale des sous officiers de l’Armée) dia sekoly fanofanana ireo manamboninahitra lefitra malagasy. Tontosa tao Antsirabe, omaly, teo ambany fiahian’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, ny lanonana ara-miaramila famindram-pibaikoana teo amin’ny kaomandin’ny Ensoa teo aloha, ny Kly Ratsarahevitra Andriamisetra sy ny kaomandy vaovao, ny Kly […]
Mois : septembre 2023
Antenimierandoholona : tsy misy disadisa eo amin’ny filoha sy ny mpikambana
Nitondra fanazavana momba ny raharaha anatiny eo anivon’ny Antenimierandoholona ny loholona, Ramanambintana Richard. Nambarany fa mifankahazo avokoa izy ireo etsy Anosikely. “Mahafinaritra ny fifampiresahana sy ny fifampihainoana, na ny fifanajana fotsiny aza”, hoy ny loholona Ramanambitana Richard, teny Ivandry, omaly, momba ny fifandraisan’ny filohan’ny Anteninmierandoholona, Razafimahefa Herimanana, sy ny mpikambana […]
Oniversite Fianarantsoa: mankalaza ny faha-40 taona ny ENI
Nosokafana tamin’ity herinandro ity ny fanamarihana ny faha-40 taonan’ny Ecole Nationale de l’Informatique (ENI) ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa. Anisan’ny sekoly ambony mamokatra mpianatra sangany amin’ny sehatry ny informatika ny ENI. Manaporofo izany indrindra ny firohotry ny tanora na avy aty an-drenivohitra aza tonga mandrato fianarana any Fianarantsoa raha handalina ny tontolon’ny informatika […]
boriborintany FAHA-V: hisitraka ny « fahasalamana manakaiky vahoaka »
Toy ny fanaon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny sampandraharaha misahana ny fahasalamana sy ny sosialy dia hotanterahina eny amin’ny boriborintany fahadimy indray ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka. Ny 3 hatramin’ny 6 oktobra izao no hanatanterahana izany eny amin’ny fokontany Soavimasoandro, Ambohidrazana fasana be. Marolafy ny karazana tolotra ara-pahasalamana hositrahan’ny mponina […]
Aretina tsy mifindra: miteraka ny 74% amin’ny fahafatesana
Hisokatra any Dakar Senegal, ny talata ho avy izao, ny Forum Galien Afrique andiany fahenina, izay sehatra hifampizarana vaovao sy traikefa momba ireo olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka. Ireo aretina tsy mifindra toy ny loza samihafa sy ny aretin’ny fo sy ny lalandra aty Afrika no lohahevitra noraisina amin’ity taona ity. […]




