Taratry ny kanto

fifaninanana « Prix des jeunes écritures 2023 ». Mpifaninana be mpifidy indrindra, amin’ny fifidianana andraisan’ny daholobe anjara, ao anatin’ny « Prix des jeunes écritures 2023 » i Aryella Aradrariny Andrianatsitoheriteny. Mandritra ny « Semaine mondiale de la francophonie scientifique », ny 31 oktobra hatramin’ny 2 novambra 2023, no hahafantarana ny mpandresy.

Fondation H. Ny fanenomana indray no lohahevitry ny atrikasan’ny Fondation H, ao anatin’ny hetsika “Samedi de la fondation H”. Michelà Ramitomboson no anisan’ny hitarika izany atrikasa izany raha ny amin’ny sabotsy ho avy izao. Mbola mitohy ny fandraisana mpandray anjara amin’izany hetsika izany.

Fampianarana Fanorona. Hanomboka ny 23 septambra 2023, eny amin’ny IKM Antsahavola, ny fampianarana fanorona, iarahana amin’i Jean Marie Lalao na Zama be. Ny endrika ivelan’ny fanorona, ny filalaovana azy, ireo paikady ampiasaina amin’ny filalaovana azy. Ireo no anisan’ny hampianarina mandritra izany.

« Kitrano Trano ». Tanterahina eny amin’ny IFM Analakely, manomboka ny 11 septambra 2023 hatramin’ny 21 oktobra 2023, ny fampirantiana “Kitrano Trano”. Ranty haikanto momba ny trano no ho hita mandritra ny hetsika. Anisan’izany ny sary maneho ny hakanton’ny tao-trano, indrindra ny eto Antananarivo.

Partager sur: