Filohan’ny HCC : “Tsy azo terena ny filohan’ny Antenimierandoholona”

Nitondra ny heviny mikasika ny tsy nandraisan’ny filohan’ny Antenimierandoholona ny fitantanana ny firenena ny filohan’ny HCC, omaly. Tsy azo terena izy, araka ny nambarany.

“Sanatria tsy manambany olona: raha ny mpiasa ao an-trano aza no milaza hoe tsy hanao intsony, tsy azo terena. In­drindra ny olona omen’ny Lalàmpanorenana andraikitra makadiry hitondra ny tany sy ny fanjakana, tsy azo terena”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Florent, tamin’ireo kandidà na ny solonte­nan’ny kandidà teny amin’ny Ceni, Alarobia, omaly, manoloana ny resabe ny amin’ny tsy nandraisan’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, amin’ny fisahanana ny anjara raharahan’ny filohan’ny Repoblika andavanandro, araka ny And. 46 Andl. 2 amin’ny Lalàm­panorenana.
Tsy manery amin’izany andraikitra makadiry amin’ny fitantanana firenena izany ny HCC. Raha terena àry ka hoe tsy maintsy hatao izany, hanao ahoana ny hitondrana ny tany sy ny fanjakana amin’ izay efa tsy faharisihana sy tsy fahazotoana izay? Notsia­hiviny ny zava-nitranga tamin’ny “Raharaha 2009”, rehefa nametra-pialàna ny filohan’ny Repoblika: nomena ny Fo­loalindahy ny fahefana. Nefa tsy nitana izany na 24 ora aza ry zareo, fa nitady vahaolana nidirana tamin’ny fitondrana Tetezamita. Amin’izao, raha tsy miditra amin’ny fiaraha-mitantanana ny governemanta amin’ny fitondrana ny firenena, rehefa tsy nanaiky handray izany ny filohan’ny Ante­nimierandoholona: mivoaka amin’ny Lalàmpanorenana na miditra amin’ny Tetezamita.

R. Nd.

Partager sur: