Ramamimampionona Gérard: “Tokony hiray hina ny governemanta”

“Tokony hiray saina sy fo tsara amin’ny fampandehanan-draharaha ny eo anivon’ ny governemanta”, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, manoloana ny fiaraha-mitantan’ny governemanta amin’izao. Eo koa ny fifandraisan’ny governemanta amin’ireo rafitra samihafa amin’ny maha samy andrimpanjakana. Efa hita teo aloha ny disadisa teo amin’ny fahefana mpanatanteraka na ny governemanta sy ny mpanao lalàna na ny Antenimieram­pirenena, ohatra.
“Tsy amin’izao no mbola hanao halako bika tsy tiako tarehy na samy ho sakay sy maso”, hoy izy. Mila jerena ny fisaraham-pahefana. Mila mirindra izany ary mitodika amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Eo indrindra koa ny fijerena ny fiainam-bahoaka. Mba tsy hohadinoina izay mampijaly ny vahoaka amin’izao, izay misoko miadana ihany. Ny fandraisan’ny tsirairay ny anjarany sy ny andraikiny ao anatin’ny firindrana sy fahamarinana no mitarika filaminana sy fanarahan-dalàna. Ary mitodika tsara any amin’ny fiainam-bahoaka sy amin’ny fanatanterahana izay iraka tokony hatao izany.

R. Nd.

Partager sur: