Inona na ahoana koa? Tsy inona fa ny fikitranana lava eo amin’ny tontolo politika amin’izao fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Mahita hokitranina hatrany ny mpisehatra politika sasany; eny, na efa hoe mirotsa-kofidina izao aza. Atrehina ny fanatanterahana fifidianana, fa gidragidraina lava. Izany no matoky tena? Na hoe tsy matahotra […]
Mois : septembre 2023
Fiatrehana fifidianana : efa mandeha ny fanontana ny biletà tokana atsy Afrika Atsimo
Nitondra fanazavana manoloana ny feo miely ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’ny tale kabinetra, Andriamifidy Jean Louis, fa tsy misy ny olana amin’ny fikarakarana ny biletà tokana. “Tsy marina sy tsy mitombina ny vaovao etsy sy eroa amin’ny filazana fa tsy afaka natonta indray noho ny toe-draharaham-pirenena ny biletà tokana, tokony […]
TSELATRA
Zandary iray niampy mpamily fiara nitatitra hazo an-tsokosoko naiditra am-ponja vonjimaika tao Moramanga, ny talata 12 septambra hariva teo. Voasakan’ny sampan-draharaha manokana misahana ny fiarovana ny ala tao Marovoay ny mpamily roa lahy niampy io mpitandro filaminana io ka natao famotorana tamin’io andro io ihany. Efatra mirahalahy mpamaky trano voasambotry […]
Faran’ny herinandro: nandriaka ny ra, mpitondra moto iray maty
Tohivakana ny lozam-pifamoivoizana ny faran’ny herinandro teo. Lohalaharana tamin’izany ireo mpitondra moto. Namoizana ain’olona izany teny amin’ny Digue Andohatapenaka, ny sabotsy hariva teo… Tsy afa-bela hatrany fa sesilany ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny moto (kodiaran-droa) ny faran’ny herinandro teo. Raim-pianakaviana iray nitondra moto marika Racing King no maty tsy tra-drano rehefa […]
Efa nisy nidoboka am-ponja : lehilahy nahatrarana vola sandoka 4 alina Ar
Lehilahy iray nahatrarana vola sandoka nitetina 4 alina Ariary tao amin’ny tanànan’Ambodiriana, fokontany Tanambao 102, kaominina Anivorano Atsinanana, distrikan’i Brickaville, afakomaly. Fotoan’ny Tsaboraha ao an-toerana tamin’io fotoana io ka nanararoatra nanamparitaka ny vola sandoka ireo olon-dratsy. «Mody mividy zavatra manodidina ny 8 000 Ar amin’ny vola sandoka 20 000 Ar […]




