Mois : septembre 2023

Rugby: tsy nahazo ny tapakila Olympika ny Makis de Madagascar

Rava ny nofinofin’ny Makis de Madagascar, lehilahy, eo amin’ny fiatrehana ny “lalao Olympika (JO 2024)”, taranja rugby lalaovina olona 7, tanterahina any Paris France. Nifarana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana mantsy ny lalan-dry zalahy. Nosakanan’i Zimbabwe ny lalan’ny Makis de Madagascar, ka tsy afaka ny hiatrika ny lalao Olympika, tanterahina any […]

Sombim-baovao

Norombahin’Andriantefihasina Mirija, Malagasy mpilalao tenisy, ny medaly alimo, ny zoma 15 septambra teo, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, U14, natao tany Maroc. Lavony tamin’ny seta 2 no ho 0 (4/0, 4/0) ilay tonizianina, Skander Nsairi. Nahazo fahombiazana indray ny Akomba taorian’ny lalaon’ny Nosy natao teto amintsika. Notanterahina omaly alahady […]

Tsipy kanetibe – «Mondial 2023»: tsy hita tao anaty lisitra ny Malagasy

Nifarana omaly alahady 17 septambra tany Benin, ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja tsipy kanetibe sokajy “senior” lehilahy. Tsy tao anaty lisitry ny firenena nandray anjara i Mada­ga­sikara. Voalaza fa noho ny fahataran’ny fisoratana anarana ny anton’izany. Efa tamin’ny volana avrily ny fandefasana ny anaran’ireo hiatrika izany. Noho ny […]

Tenisy ambony latabatra : Tompondakan’i Afrika eo amin’ny isan-tarika, lehilahy, i Madagasikara

Nampakatra avo ny lazan’i Madagasikara taty Afrika indray ny taranja tenisy ambony latabatra. Voahosotra ho tompondaka mantsy ny ekipa olon-droa miaraka, lehilahy, nahitana an’i Antoine sy i Fabio. Fifaninanana, natokana ho an’ny sokajy “senior” lahy sy vavy. Nifarana omaly alahady tao amin’ny efitrano Omnisport de Rades, Tunisie, ny fiadiana ny […]

TARATRY ny KANTO

Nicolas Séguy eto Madagasikara. Frantsay mpitendry Piano, mandalo eto Madagasikara. Hisy ny atrikasa iarahany amin’ny mpiangaly Slam, eo koa ny valandresaka eny amin’ny sekoly maro samihafa. Ankoatra izay, hisy ny fampisehoana ho ataony eto Antananarivo sy any Sambava. “Exposition Lamba”. Madiva hifarana ny rantin-tsary maneho ireo lamba sy ny tantarany […]