Kaoperativa 7 no nanamafy ny fahaiza-manaony amin’ny sehatry ny fitaterana ny alarobia teo, niaraka tamin’ny ATT. Fanofanana ho an’ireo olona rehetra miantsehatra amin’ny fitaterana sy mahakasika ny rafi-pitaterana nahitana loza no natao. Nisitraka ny fiofanana ny mpamily, ny mpivarotra tapakila, ny mpamatotra entana miisa 64, tompona fiara… Fotoana mampirongatra ny […]
Mois : septembre 2023
Forum Handicap emploi : manan-jo hiasa ny olona manana fahasembanana
Tontosa omaly ny fihaonamben’ny fampananan’asa ho an’ny olona manana fahasembanana na “Forum Handicap Emploi”, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Andiany voalohany ny hetsika, teo ambany fiahian’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Tanjona ny hahafahan’ny mpampiasa, ny vondron’ny mpampiasa ary ireo mpisehatra ny maha olona eny anivon’ireo orinasa mihaona sy mihaino […]
Famarinana olona : anatin’ny lisitra faharoa arahi-maso i Madagasikara
Tato anatin’ny roa taona nifanesy, tafiditra ao anatin’ny lisitra arahi-maso sokajy faharoa ny laharana misy an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny famarinana olona an-tsokosoko. Fantatra izany araka ny tatitra avy amin’ny departemantam-panjakana amerikanina momba ny famarinan’olona. Ny alarobia teo koa no nitsidika ny mpanolotsaina voalohan’ny masoivoho amerikanina, Stephanie Arnold, ny delegasiona […]
Oniversiten’Antananarivo : “Tsy mbola nivoaka ny voka-panadinana”, hoy ny Seces
Tsy misy fiovana ny zava-misy eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Mitohy ny fitokonana ataon’ny mpampianatra mpikaroka ary hihamafy izany rehefa tsy mamaly ny fitakiana ny fitondrana. «Efa niato tao anatin’ ny telo volana ny fampianarana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo sy ny asa fikarohana eny anivon’ny foibem-pikarohana sivy miankina amin’ny fanjakana eto Antananarivo”, hoy […]
TARATRY ny KANTO
«Haisoratra: rakitry ny lasa, fanohitry ny ho avy». Tanterahina ny sabotsy 30 septambra 2023, tolakandro, ao Tsararano Mahajanga, ny «Alim-betso», karakarain’ny Faribolana Sandratra, sampana Mahajanga. Hetsika entina mankalaza ny faha-5 taonan’ity sampana iray ity. Fifampizarana eo amin’ny samy poeta, larona antsan-tonokalo no hameno ny fandaharam-potoana. Princio- Afondasin’Andohalo. Handravaka ny hetsika […]




