Nanatanteraka ny fitsarana mitety vohitra ny eo anivon’ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC), avy any Antananarivo, ny 24 sy 25 Aogositra teo. Nisy ny fotoam-pitsarana tetsy amin’ny Lapan’ny fitsarana ambony Toamasina, nifantoka tamina fanodikodinam-bolam-panjakana, hosoka sy fanoratana hosoka, fanararaotam-pahefana, nitsarana ben’ny Tanàna maromaro nandalo fotoam-pitsarana. Ho an’ny kaominina ambanivohitr ‘Antsampanana, […]
Mois : septembre 2023
Famatsian-drano : misy tsy tomombana ny milina eny Mandroseza
Mihena ny famatsian-drano amin’ny faritra maromaro eto Antananarivo satria simba ny ampahany amin’ny milina eny Mandroseza. Misy ny vahaolana vonjy maika raisin’ny Jirama, mandra-pahasolo ny milina izay tsy maintsy hafarana any ivelany. Misy fahasimbana ny paompy eny amin’ny toby famokarana rano eny Mandroseza. Araka ny fanomezam-baovao avy amin’ ny Jirama, […]
FANTINA sy FINTINA
Manao ranolava ny fihaonan’ireo kandidà 10 amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Noraisin’ny solontena maharitry ny Pnud eto amintsika izy ireo, afakomaly, teny Andraharo. Nitohy tamin’ny dinika tamin’ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina (UE), izany, omaly. Tsy nisy nipika hatrany ny dinika. “Misy hatrany ny politika. Niainana an’izany avokoa teto amin’ny firenena: savorovoro rehefa misy […]
KMF/Cnoe : “Takina ny tsy fiandanian’ny governemanta amin’ny fifidianana”
“Mitaky ny tsy fiandanian’ny governemanta amin’izao zotram-pifidianana izao. Aza hadinoina fa ianareo izao no mitantana vonjimaika ny filoham-panjakana manomana fifidianana”. Io ny fanambaran’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena hoe “Very hasina ny Antenimierandoholona”, afakomaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Manamaloka ny zotram-pifidianana izao tranga izao, nefa aoka tsy ho antony velively hanemorana ny […]
Mailo sy malina !
Vanim-potoana saropady no lalovan’ny firenena ankehitriny. Ilana fitandremana lehibe hatramin’ny vava havoaka. Mahazo vahana ny fanelezam-baovao tsy marina entina hampisavorovoroana saim-bahoaka. Mila mailo amin’izay zavatra ho henoina. Mila malina amin’izay hinoana. Fadiana ny miantoratoraka amin’izay malama vava. Maro no mahasahy mivarotra am-pitsanganana. Malina ihany koa mahakasika ny tsy fandriampahalemana. […]




