Hanao ahoana izao toe-draharaha politika mafanafana izao? Fitoniana no ilain’ny vahoaka, raha ny fijerin’ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ny faritra Analamanga, Rasaomaromaka Hery. “Fitoniana no ilain’ny vahoaka amin’izao. Raha izao no mbola hisy korontana, iza no hahazo tombony amin’izany? Izany no mahatonga ny vahoaka tsy resy lahatra intsony amin’ […]
Mois : septembre 2023
Nidoboka eny Tsiafahy : lehilahy namono ny sakaizany mitondra vohoka
Natolotra ny fampanoavana afakomaly ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ilay lehilahy nahavanon-doza, nahavita namono ny sakaizany mitondra vohoka. Ny 12 septambra 2023 maraina, nahazo fampandrenesana avy amin’ny sefo fokontany Antanety, kaominina Fenoarivo, ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohijafy momba ny fahitana fatim-behivavy iray tao anaty tanimbary. Nidina teny an-toerana nanao fizahana […]
Tselatra
Dimy lahy mpidoroka zava-mahadomelina voasambotry ny zandary Atsimontsena, kaominina Sabotsy Namehana, omaly. Nokarohina ny lehilahy iray voalaza ho mpivarotra rongony. Niafina tany anaty trano fivoahana anefa izy ka tratra. Nosamborina niaraka taminy ny lehilahy efatra mpidoroka. Telo lahy voasambotry ny mpitandro filaminana tao Betioky Atsimo, omaly. Nikasa hivarotra zaza varira […]
Andohatapenaka : mpanendaka tratra nanendaka
Mirongatra ny fanendahana eny Antohomadinika sy ny manodidina. Jiolahy iray tratra teo am-panendahana niaraka tamin’ny antsibe teo Andohatapenaka, omaly hariva. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7) no nahasambotra ity mpanendaka ity. Anisan’ireo toerana ahitana olona maro mifamezivezy amin’iny faritra iny. Manararaotra manao ny ataony koa ireo olon-dratsy, […]
Opération Cash-point : tsy milamina ny Renivohitra!
Tao anatin’ny herinandro, mpanao Cash point miisa telo, tamin’ny toerana samihafa norobain’ny jiolahy. Vehivavy iray indray lasibatra tetsy Manakambahiny, omaly. Lasan’ny telo lahy nitam-basy ny vola tao anatina kitapon’ny vehivavy iray mpanao Cash-point eo Manakambahiny, anatin’ny boriborintany faharoa, omaly maraina. Hanao ny asa fanaony andavanandro, niala teny amin’ny trano fonenany […]




