Nampahafantarina sy natomboka omaly, tetsy Ankorondrano, ny tambajotra “Mada business Linkage.mg”. Natokana ho an’ireo orinasa mpandraharaha manara-dalàna rehetra manerana an’i Madagasikara. Tanjona ny hampahafantarana ireo orinasa bebe kokoa sy ahafahan’izy ireo mifandray, miara-miasa ary mahita lalam-barotra. “Vitsy ireo orinasa mifankafantatra eto amin’ny Nosy ka antony nananganana ny tambajotra”, hoy ny […]
Mois : septembre 2023
Toamasina : foara ngeza indrindra ny « Toam Ketrika »
Hotanterahina eto Toamasina, ny 28, 29 ary ny 30 septambra ho avy izao, ny tsenabe “Toam Ketrika”. Foara ara-toekarena sy ara-barotra andiany fahefatra, atao etsy amin’ny Araben’ny Fahaleovantena, karakarain’ny orinasa La Fabrique sy ny fikambanana ONG St-Gabriel. Manohana ny hetsika ny orinasa Ambatovy, ny Spat, ny faritra Atsinanana ary ny […]
Tetikasa G3D : vita ny fanadihadiana siantifika ny hazo sarobidy
Voasokajy ho hazo sarobidy mitondra ny anarana siantifika « Dalbergia » ny voamboana sy ny andramena. Sokajiana ho « Diospyros » kosa ny volombodimpona na misy milaza koa hoe hazomanga (bois d’ébène). Vita ankehitriny ny fanadihadiana lalina ara-tsiantifika mikasika azy ireo, tamin’ny alalan’ny tetikasa “Fitantanana maharitra ny Dalbergia sy ny Diospyros (G3D)”, novatsian’ny Vondrona […]
Raharaham-pirenena: tsy liana amin’ny resaka politika ny vahoaka, leo fampanantenana
Tsy liana amin’ny resaka politika ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy, indrindra fa ny vehivavy, raha ny fanadihadiana natao. Tototry ny adim-piainana sy kivy amin’ny tsy fahatanterahan’ny mpitondra ny teny nomeny, ary ireo fampanantenana nandritra ny propagandy ny antony, raha ny fanazavana voaangona. Manodidina ny 11 tapitrisa ireo mpifidy voasoratra anarana, araka […]
FANTINA sy FINTINA
Hanohana kandidà roa ny RMDM, araka ny nambaran’izy ireo tetsy Ampandrana, omaly. hanohana ny kandidà Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery ny mpanohitra. “Malalaka ireo antoko eo anivon’ny RMDM hisafidy ny iray amin’ireo… Manala ny tenany kosa ireo manohana kandidà hafa”, hoy ny pasitera Tsarahame Edouard. Naneho ny heviny ireo CST […]




