Mois : septembre 2023

Andrimaso FFKM : « Aoka isika hiverina amin’ny tany tan-dalàna »

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Andrimaso FFKM, omaly. “Manainga ny rehetra izahay mba hampanjaka ny fahamarinana sy hiverenana amin’ny tany tan-dalàna”, hoy izy ireo. Nohama­fisin’ny fanambarana ny antson’ireo filoham-piangonana amin’ny fandraisana andraikitry ny isam-piangonana eo amin’ny fiainam-pirenena. Notsiahivin’izy ireo fa tanteraka ny ahiahy amin’ny fandikan-dalàna ataon’ny HCC. Eo ny nandraisana […]

Fialan’ny jiosy !

Miraradraraka ny fanambarana ataon’ny hery velona politika sy ny mpisehatra rehetra, omaly. Namaly ny antsoantson’ny mpanara-baovao ny firaisamonim-pirenena sy ny raiamandreny am-panahy. Nitovy ny tadi-dokangan’izy ireo izay samy manameloka ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana nataon’ny Andrimpanjakana voalohany tokony hiaro izany dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana na ny HCC. Manoloana […]

Efa nahita mpividy: vehivavy saika hivaro-janaka, voasambotra

Voasambotry ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Fangato, Kaominina am­bonivohitra Mananjary, ny alarobia 13 septambra teo, ny renim-pianakaviana iray. Nifa­naraka tamin’ny olon-tsy fantatra izy fa hamidiny ny menaky ny ainy. Niroso teny amin’ny fitsarana ny roa tonta hikarakara ny taratasy handafosana ilay zaza. Zazavavy kely vao enim-bolana ity nokasainy hamidy […]

TSELATRA

Raim-pianakaviana iray maty tampoka tao anaty fiara fitanteram-bahoaka teo amin’ ny gara Makis Andohatapenaka, omaly. Mpandeha anaty fiara no nahatsikaritra io lehilahy io efa maneho fihetsika hafahafa. Nozahan’ny mpitsabo sy ny tomponandrai­kitra ilay mpandeha saingy efa tsy nisy aina intsony. Trano efatra samihafa may kilan’ny afo tao an-tanànan’Ambanilalandrano, fokontany Antetezana, […]