Mois : septembre 2023

Solonomenjanahary Aristide: “Tsy vahaolana ny fanemorana ny fifidianana”

Hanao ahoana ny fiatrehana sy fanatanterahana fifidianana amin’izao? Tsy vahaolana ny fihemorana, raha ny fijerin’ny filohan’ny ONG Taheza, i Solonomenjanahary Aristide. Fanehoan-kevitra… “Tsy vahaolana ny fanemorana ny fifidianana”, hoy ny filohan’ny ONG Taheza any amin’ny faritra Anosy, i Solonomenjanahary Aristide, manoloana ny fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’izao. Ao anatin’ny […]

Ceni: “Nitombo 1987 ny isan’ny biraom-pifidianana”

“Tsy tokony hisy izany biraom-pifidianana matoatoa izany”, hoy ny filoha lefitry ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny resaky ny mpisehatra politika sasany hoe misy biraom-pifidianana tsy mazava amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Tsy fahefan’ny Ceni ny mamorona na mampitombo ny isan’ny fokontany. Nitombo 1 987 ny isan’ny […]

Fametraham-pialan’ny filoha: nangata-panazavana amin’ny HCC ny PM

Nangatahan’ny Praiminisitra Ntsay Christian fanazavana amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny And. 46, andl 2, amin’ny Lalàmpanorenana, afakomaly. Voalaza amin’izany fa ny filohan’ny Repoblika am-perinasa izay mirotsa-kofidina amin’ny fifidianana ho filohan’ny Repoblika dia mametra-pialana amin’ny toerany 60 andro alohan’ny hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Amin’izay anton-javatra izay, ny […]

Taratry ny kanto

fifaninanana « Prix des jeunes écritures 2023 ». Mpifaninana be mpifidy indrindra, amin’ny fifidianana andraisan’ny daholobe anjara, ao anatin’ny « Prix des jeunes écritures 2023 » i Aryella Aradrariny Andrianatsitoheriteny. Mandritra ny « Semaine mondiale de la francophonie scientifique », ny 31 oktobra hatramin’ny 2 novambra 2023, no hahafantarana ny mpandresy. Fondation H. Ny fanenomana indray […]

Kitra: lasan’ny Sandratra ny amboara

  Tontosa, omaly, teny amin’ny Kianja Santilo Anosizato ny fihaonana baolina kitra teo amin’ny Havàtsa-Upem sy ny Faribolana Sandratra.  Norombahin’ny Faribolana Sandratra avokoa ny fandresena. Sokajy lehilahy, resin-dry zareo tamin’ny isa 2 – 1 ny Havàtsa-Upem, raha 1 sy 0 kosa teo amin’ny sokajy vehivavy. « Tratra ny tanjona. Tsy ny […]