Ao anatin’ny fihetsiketsehana amin’ny fifidianana tanteraka i Madagasikara. “Roso itoy, tsa mipody koa” ! Efa tafakatra 17 be izao ny olona nanatitra antontan-taratasiny teny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), omaly. Mihazakazaka ny mpanao politika na efa midangana dia midangana aza ilay anto-bola takina amin’izy ireo. Ndeha hatao […]
Mois : septembre 2023
Fanahiana korontana: nahetsika hiatrana teto an-drenivohitra ny Emmo/Reg
Niatrana vao maraimbe tamin’ireo toerana samihafa teto an-drenivohitra, ireo mpitandro filaminana marobe, omaly. Voalaza fa ho fisorohana ny korontana ny anton’izany. Samy nahitana ireo eo anivon’ny Emmo/Reg ny teny amin’ny kianjan’ny 13 mey sy ny teny Analakely. Ny teny amin’ny manodidina ny Magro Behoririka ary koa ny kianjan’Ambohijatovo, hatreny Ankatso. […]
Mihorohoro i Toamasina : tovolahy iray hita faty notondrahana asidra
Hita faty tao Analamalotra, teo amoron-dranomasina, ny alatsinainy teo, ny vatana mangatsiak’i Zafalie Marie Orlove, 20 taona. Mpianatra lalàna taona faharoa ao amin’ ny Oniversite Barikadimy Toamasina ity tovolahy niharam-boina ity. Razana efa simba novonoina tamin’ny fomba feno habibiana no hitan’ny olona teo amoron-dranomasina. Notondrahana asidra teo amin’ny lohany ka efa niraraka avokoa ny nofon-dohany […]
TSELATRA
Nirefodrefotra ny basy teny Alakamisy Fenoarivo, omaly hariva. Jiolahy roa maty voatifitry ny zandary, iray tratra, iray tafatsoaka. Nikasa hanao fanafihana tranombarotra ireto jiolahy ireto no nifanehatra tamin’ny zandary. Basy Kalachnikov iray tratra. Nitohy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny lonilony teo amin’ny ekipam-pirenen’i La Réunion sy Maurice momba ilay penalty […]
Karohina ny rainy : fatin-jaza sembana nasesika tanaty gony
Nampivarahontsana ny nanjo ity zalahikely vao sivy taona, tao Sambava. Novonoina, nasesika tanaty gony ny vatana mangatsiakany, nalatsaka tao an-davadrano. Ahiana ho tompon’antoka ny rainy. Ankizy sivy taona hita faty tao amin’ny fokontany Ambodimanga Angaiky, kaominina Marogaona, distrikan’i Sambava, ny faran’ny herinandro teo. Nariana tao anaty lavadrano izy rehefa nofonosina […]




