Ho ezahina hampidirina ao anatin’ny sata mifehy ny fanatanjahantena eto an-toerana ny resaka matihanina. Araka ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry Nirina, omaly, teny Iavoloha. Natao hifantohan’izy ireo amin’ny resaka fanatanjahantena sy ho fampivoarana izany no anton’ity vina ity. Hotanterahina any Mahajanga sy Antsirabe, ny 15-24 septambra ho avy […]
Mois : septembre 2023
Antoko TGV/Mapar: miantso ny haha kandidà ny filoha Rajoelina ny kongresy
Mirona mankany amin’ny fangatahana ny ho firotsahan-kofidin’ny filoha am-perinasa, Andry Rajoelina, ny kongresy nasionalin’ny TGV/ Mapar, eny amin ‘ny CCI Ivato. Nanomboka omaly izany, ary hampahafantarina anio ny fehinkevitra. Tonga maro, naneho ny heriny teny an-toerana ireo mpikatroka rehetra, hatreny ifotony manerana ny Nosy ka hatramin’ireo mpitantana, eo anivon’ny birao […]
Ceni: “Mazava ny voalazan’ny lalàna “
“Voalazan’ny lalàna fa manan-jo hanatona fitsarana ireo nisoratra anarana tamin’ny takelaka fanisana mpifidy, nefa tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana“, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly. Ny fitsarana ihany no afa-mamoaka didy hampidirana anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana efa nofaranana. Heverin’ny Ceni fa tsy mifanohitra amin’ny lalàna raha izy no […]
Fizakan’ny filoha zom-pirenena vahiny: miantso ny Foloalindahy haneho hevitra ny MMM
Nohitsin’ny kandidà, i Andrianainarivelo Hajo fa manao fanambarana sy maneho hevitra hatrany ny Foloalindahy rehefa sahirana ny mpitondra fanjakana. Voizin’izy ireo amin’izany ny fiarovana ny Andrimpanjakana. “Voantohintohina izany Andrimpanjakana izany anefa izao satria filoham-panjakana am-perinasa no nangataka zom-pirenena vahiny ny taona 2013. Mba te aheno ny Foloalindahy izahay haneho hevitra”, […]
Antoko HVM: “Ilaina ny fifampiresahana”
“Anaovanay antso avo na ho an’ny fanjakana, na antoko, na kandidà: tsy lany andro ny fifampiresahana momba ny fifidianana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo; eny, na efa nanambara ny firotsahan-kofidina aza ny filoha mpanorina ny antoko. Betsaka ny ohatra velona teto amin’ny firenena na ireo […]




