Mois : septembre 2023

Fanabeazana: manomboka ny taom-pianarana 2023-2024

Nanomboka niditra an-tsekoly omaly ireo mpianatra, hiatrika ny taom-pianarana vaovao 2023-2024. Miverina amin’ny fifantohana sy fahamatorana amin’izay manomboka eo. Misy amin’ireo sekoly sasany toy ny sekolim-pinoana mbola amin’ny herinandro ambony vao tena miverina an-dakilasy ny mpianatra. Fandraisana ireo mpianatra no tena hatao amin’ity herinandro ity, fanakaikezana sy fifankafantaran’ny mpampianatra sy […]

Fampisakafoana an-tsekoly: mandrisika ny mpianatra tsy hiala an-daharana

1 200 000 no isan’ny ankizy mahazo tohana sakafao any an-tsekoly. Mampazoto  ny mpianatra  hilofo bebe kokoa izany, andaniny. Mampiroborobo ny varotra anatiny, ankilany.  Hampitomboina 10% isan-taona ny isan’ny mpianatra hisitraka ny sakafo any an-dakilasy, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèle, omaly, teny Ivandry. 1 200 000 amin’izao fotoana ny mpianatra mahazo […]

Areti-mifindra: niampy 20 ireo manampahaizana manokana

Notolorana mari-pahaizana ny faran’ny herinandro teo, ireo manampahaizana manokana momba ny areti-mifindra, rehefa nahavita fianarana sy fandalinana mahakasika izany. Hisahana ny fitiliana sy fandraisana an-tanana ary fisorohana sy famaliana amin’ny fomba mahomby kokoa ny hamehana ara-pahasalamana mikasika ny karazan’areti-mifindra izy ireo. Efa nahita trangan’aretina lefakozatra tsy voatily maherin’ny 130 izy […]

Indray mijery

Manome vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra miisa 5 i Algerie  amin’ny taom-pianarana 2022-2023. Natao ho an’ireo te handalina ny siansa momba ny fitsaboana biby sy ny siansa momba ny zavaboahary izany . Natao indrindra ho an’ireo vao nahazo ny diplaoma bakalorea farany teo. Efa misokatra ny fangatahana vatsim-pianarana ho an’izay maniry […]

Tsy mitsaha-misonga: tafakatra 3 100 ny kilaon’ny vary gasy

Mipaka amin’isan-tokantrano ny fiakaran’ny vidin-entana eny an-tsena indrindra amin’ireo filana andavanandro. Ho sarotra ny fitantanam-bola amin’izao fidiran’ny mpianatra izao sy amin’ny fotoan’ny maitsoahitra.  Mampikaikaika ny maro ny vidim-bary amin’izao. Tao anatin’ny fotoana vitsy, tsy mitsaha-misondrotra ny vidin’ny vary gasy, ny “stock” ary ny “riz de luxe”. Ankehitriny, mahatratra hatramin’ny 3 […]