Mois : septembre 2023

TARATRY ny KANTO

« Afondasin’Andohalo ». Hanafana ny sehatry ny « Afondasin’Andohalo » ny zoma 29 septambra 2023, i Princio. Hisongadina manokana mandritra io hetsika io, araka izany, ny hiran’ity mpahay kanto malaza ity. Hisy hatrany anefa ny sehatra misokatra ho an’ny rehetra sy ny hetsika nahafantarana ny “Afondasin’Andohalo” hatramin’izay. « Kitantara ». Hitondra ny sombiny amin’ny asa sorany […]

Madagasikara maitso : fampirantiana momba ny tontolo iainana

Tanterahina nanomboka ny 21 septambra 2023 hatramin’ny 1 novambra, eny amin’ ny Galerie d’Art Ivokolo Ana­lakely, ny varotra fampiran­tiana « Madagasikara Maitso ». Jacques Naif sy William Ran­drianohanana no mpahay kanto mandranty sary eny an-toerana mandritra ireo andro ireo. Ny Ofnac, miaraka amin’ ireo mpahay kanto ireo no mi­karakara ny hetsika. Maimaim­poana […]

« Jôkôsô- Festival du rire » : hetsika ho an’ny hatsikana malagasy

Hotanterahina ny 11 hatramin’ny 14 oktobra 2023, eto Antananarivo ny « Jôkôsô- Festival du rire » andiany fahatelo. Ankoatra ny fampisehoana, hisy ihany koa ny fizarana sy fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao, eo amin’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny hatsikana eto Madagasikara. Mampiavaka ny hetsika amin’ity taona ity ny fiaraha-mifaly sy fitondrana fanampiana ho […]

« Miss&Mister Malagasy 2024 »: hotanterahina ny novambra izao ny dingana famaranana

Sehatra iray ahafahan’ny tanora monina any ampitan-dranomasina manasoa ny mpiray tanindrazana aminy ny fifaninanana “Miss&Mister Malagasy”. Misy ihany anefa ny sivana apetraky ny mpikarakara ahazoana mpandresy afaka manatanteraka ny tanjona. Hotanterahina ny 4 no­vambra 2023, ao Paris, Frantsa, ny lanonam-pamaranana ny fifaninanana « Miss & Mister Malagasy 2024 ». Ny fikambanana “Miss&Mister […]

Faritra Atsinanana : maro ireo fotodrafitrasa vita, hanatanterahana ny Veliranon’ny filohan’ny Repoblika teo aloha

Fomba fitenin’ny mpanao politika matetika ny hoe mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 tao­na. Anisan’ny faritra nisitraka fotodrafitrasa maro samihafa avy amin’ny alalan’ny fampanantenan’ny filoha teo aloha ny any amin’ny faritra Atsinanana. Nisitraka fotodrafitrasa maro samihafa ny any amin’iny faritra Atsina­nana iny, distrikan’ i Mahanoro manokana, raha ny fanadihadiana natao. […]