Hatolotra ny fampanoavana ireo mpampianatra roa lahy miampy lehilahy iray hafa voarohirohy ho tompon’antoka tamina famakiana trano fitehirizana entam-barotra teny Ambodivoara, fokontany Andranovao Ambohimangakely. Nanaovana ombay mitady ny ankizy kambana roa lahy izay tsy hita ny 22 septambra 2023 lasa teo. Nentin’ireo mpampianatra ireo niara-nanao asa ratsy taminy anefa ireo […]
Mois : septembre 2023
Noho ny herisetra : nampamonoany jiolahy ny vadiny
Raim-pianakaviana iray 45 taona manan-janaka roa no saika namoy ny ainy rehefa novelesin’ny jiolahy ny hazobe teo amin’ny lohany teny Andranomanalina, afakomaly hariva. Vaky mihitsy ny lohany, araka ny fanazavan’ireo olona nahita ny zava-nisy teny an-toerana. Miasa mivarotra brokatera ny asan’ity raim-pianakaviana niharam-boina ity. Avy niasa izy tamin’io fotoana io […]
Fifandonana nahery vaika : dahalo mpaka an-keriny roa lahy rotiky ny bala
Nifanenjehana tamin’ny fokonolona sy ny zandary, maty voatifitra ny mpaka an-keriny roa lahy saika hanatanteraka ny asa ratsiny tao Tsaratanana, afakomaly. Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny kaominina Keliloha, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly. Nikononkonona asa fakana an-keriny indray ny dahalo raindahiny. Tsikaritry ny fokonolona anefa ny fisian’ireo olon-dratsy ireo tao amin’ny kijanan’i […]




