Karate. Hotanterahina rahampitso 23 sy ny alahady 24 septambra izao ny fifaninanana « Challengea du Betsileo » andiany faharoa, taranja karate. Ao amin’ ny kianja mitafon’Ambatomena Fianarantsoa no hanaovana ity fifaninanana ity, karakarain’ny ligin’ny karate-do Matsiatra Ambony, eo ambany fiahian’ny federasiona karate-do malagasy (FKM). Kick-Boxing. Raikitra ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany […]
Mois : septembre 2023
Basikety-N1A : hatao ny 19 hatramin’ ny 29 oktobra
Fandaharam-potoana mamaramparana ny taom-pikatrohana 2023, ho an’ny taranja basikety, ny fifaninanam-pirenena N1A lahy sy vavy. Hotontosaina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 19 hatramin’ny 29 oktobra izany. Ho an’ny sokajy lehilahy, fifaninanana ho an’ireo ekipa 8 mendrika indrindra na ny “Top 8” sy ny famaranana no hatao amin’io fotoana io. […]
Rugby – “XXL Top 20” : hatao ny 1 oktobra ho avy izao ny manasa-dalana
Hafana tanteraka ny lalao etsy Andohatapenaka, ny volana oktobra ho avy izao. Ho toy ny famaranana avokoa ny fihaonan’ny Uscar sy ny FTM ary ny Cosfa sy ny 3FB. Afaka valo andro, hanomboka etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny manasa-dalana , fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “XXL Top 20”, taranja […]
Orinasa Malto S.A ; mampiasa « orge » 9 000 t isan-taona
Mandray anjara amin’ny Foara iraisam- pirenena ho an’ny fambolena, FIA, eny amin’ny Zone Forello Tanjombato, ny orinasa Star. Samy eo ambany fiahian’ny vondrona Castel, izy sy ny orinasa Malto S.A, misahana ny famokarana « orge », havadika ho « malt », akora fototra amin’ny fanamboarana labiera. Nanazava ny teknisiana, tomponandraikitry ny fikarohana ao amin’ny […]
Vaovao tambatra
Nanamafy ny praiminisitra Ntsay Christian fa voarara tanteraka ny fivarotana ny tanim-panjakana. Anisan’izany ny tany misoratra amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, toy ny an’ny kaominina, ohatra, raha tsy nahazoana alalana mialoha eo anivon’ny filankevitry ny minisitra. Miisa 17.736 ny mpiasa ao anaty sokajy « EFA », nahafeno ny fepetra ho raisina mpiasam-panjakana raikitra. Mandeha […]




