Mois : septembre 2023

Foire internationale de l’Agriculture: natolotra ny paikady ho an’ny tolo-draharahan’ny mpamokatra

Hetsika mampiray ny mpamokatra eo amin’ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ny FIA atao etsy amin’ny Zone Forello Tanjombato. Misy ny tolotra maro isan-karazany entina mampiroborobo ny seha-piharian’ireo tantsaha sy ny paikady anatanterahana izany. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly, ka hitohy hatramin’ny alahady izao, ny foara iraisam-pirenena ho […]

Praiminisitra Ntsay Christian: “Porofon’ny fitsinjaram-pahefana ny Jir”

Nisokatra omaly ary hitohy hatramin’ny rahampitso ny “Andro iraisam-pirenena ho an’ ny faritra – Jir” any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Niatrika izany ny Praiminisitra sady lehiben’ny governe­manta ifarimbonana, i Ntsay Christian. Nam­ba­rany tamin’izany fa laharam-pahamehana ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy ahafahana mitondra ny fampandrosoana eny ifotony. “Po­rofon’ izany ny […]

Paositra malagasy: miverina ny fiaraha-miasa amin’ny Groupe La Poste

Vita sonia ny fiaraha-miasan’ny Paositra malagasy sy ny EMS Madagascar ary ny Colissimo France, Groupe la Poste rehefa niato nandritra ny 32 taona. Natao teny amin’ny biraon’ny paositra etsy Antaninarenina, omaly, ny hetsika izay na­trehan’ny tomponandraikitra avy amin’ny Paositra malagasy sy ny Groupe La Poste France. Vokatry ny fifampiraharahana natao […]

Vovonana JPRM : manohana sy hampandany ny kandidà n°3

Mivoaka tsikelikely ny mpanohana ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry. Taorian’ny antoko RPSD, nilaza ny heviny koa ny vovonana Jeunes Patriotes Revolutionnaires Malagasy na JPRM. Namory ny mpikambana tao aminy sy nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny amin’ny hotely Colbert ny Vovonana JPRM. Nivoitra tamin’izany ny fahavononan’ny mpikambana ha­nohana sy […]