Anjaramanantsoa Laza Fanambinana : “Tokony hirosoana ny safidim-bahoaka amin’ny alalan’ny latsa-bato”

Hanao ahoana ihany ny fifidianana? Maneho ny fijeriny ny olom-pirenena tsotra, maro anisa mangina, i Anjaramanantsoa Laza Fanambinana: ” Ny safidin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny latsa-bato no tokony hirosoan’ny rehetra.” Fanehoan-kevitra…

“Tsy hanova na inona eo amin’ny fiainanao ny ataon’ny mpanao politika. Misy efa nanana ny toerany teo aloha, mbola mieritreritra hitondra. Ny safidin’ny vahoaka amin’ ny alalan’ny latsa-bato no tokony hirosoan’ny rehetra”, hoy ny olom-pirenena tsotra, maro anisa mangina, i Anjaramanantsoa Laza Fanambinana, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Tokony samy hiezaka ireo kandidà hampahafantatra amin’ny vahoaka ny vinam-piarahamonina tiany hitondrana ny firenena. Ny vahoaka no hisafidy amin’izany. Amin’izao, mety misalasala ny olom-pirenena hoe: hisy sa tsia ny fifidianana? Efa didy aman-dalàna nivoaka iny, ary efa iarahan’ny rehetra nanaiky: ny kandidà, ny mpiara-miombon’antoka, ny vahoaka hisafidy izay hitondra azy.
Raha misy kandidà te hiala an-daharana, tsy mbola fatian­toka amin’izao. Mba tsy hidirana lalina izany, fa tsy hoe mandeha ny fampielezan-kevitra vao hiala. Efa nisy teto ny kandidà nihemotra tamin’ny ora farany. Azon-dry zareo atao ny manohana kandidà iray, raha misy ny hevitra itoviana sy iombonana. Raha te hampiseho hery sy tanjaka, tsy misy afa-tsy amin’ny fiombonana miara-miatrika ny fampielezan-kevitra. Mandresy lahatra ny vahoaka handray andraikitra amin’izany.

Mila mandray andraikitra ny vahoaka

Fandraisana andraikitra tokony hirosoan’ny vahoaka ny fandehanana mifidy, ny fanaraha-maso ny fanisam-bato, ny fanaraha-maso ny voka-pifidianana miala eo amin’ny biraom-pifidianana mankany amin’ny isan’ambaratonga. Aoka mba ho olona matotra ny manao fanamarinana ny fitanana an-tsoratra (PV).
Raha voaentana amin’izay fanaraha-maso ny safidy nataony izay ny olom-pirenena, hilamina ary tsy hisy intsony ny haha­zoana miteny hoe tsy ara-dalàna ny fifidianana. Hatramin’ny famoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika izany, ka hatramin’ny famoahan’ny HCC ny vokatra ofisialy.
Tsy manana afa-tsy ity herinandro ity ny kandidà rehetra amin’ny fanomanana ny vahoaka hiatrika fampielezan-kevitra. Raha tsy tafavoaka amin’izao ry zareo, na ny vondron’ny kandidà aza mety hiparitaka fa samy hanavotra ny tenany amin’ny fiatrehana fampielezan-kevitra.

R. Nd.

Partager sur: