Fampandrosoana eny ifotony: tsy mitantana ny volan’ny Ciad ireo depiote

Nitondra fanazavana momba ny fitantanana sy ny fampiasana ny vola avy amin’ny “Crédit d’investissement destiné à l’appui au développement” (Ciad) ny eo anivon’ny birao maharitra, ny depiote Bruno Assimo, solombavambahoaka voafidy tao Ambilobe. « Tsy mitantana ny vola 250 000 000 Ar isan-taona izahay depiote », hoy izy. Nambarany fa tsy lelavola io. Sorabola handrafetana sy hampifanarahana ny filan’ny vahoaka eny ifotony « Etat des bésoins », miainga amin’ ny fitetezan’ny depiote ireo fokontany sy kaominina io, araka ny nambarany. Nante­riny fa halefa any amin’ireo tomponandraikitra mpitahiry volam-panjakana izany rehefa voarafitra ary mandalo din­gana maromaro amin’ny maha volam-panjakana azy. « Ry zareo any no mividy ireo fitaovana, araka ny filan’ireo eny ifotony izany fa tsy izahay. Anjaranay ny mizara izany rehefa tonga ny entana », hoy ihany izy. Notsindriny fa mijanona eo amin’ny fandrafetana ireo filan’ny vahoaka eny ifo­tony sy mizara ireo fitaovana voavidin’ireo tomponandrai­kitra ny anjara asan’ny depiote. Diso ny fiheverana fa mitan­tana izany vola izany ny solom­bavambahoaka ka anaovana izay tiana hatao, araka ny nambarany hatrany.
Notanisainy tamin’izany fa maro amin’ireo kaominina any amin’ireny distrika ireny no misafidy sy mangataka simenitra, hanamboarana fotodrafitrasa. Ny fanitso ho an’ireo sekoly na hopitaly. Eo koa ireo dabilio ho an’ny mpianatra na koa kojakoja ho an’ny tanora. Ny jiro mandeha amin’ny herin’ ny masoandro…

Synèse R.

Partager sur: