Ceni : “Tsy maintsy irosoana ny fifidianana”

Hanao ahoana ihany ny fanatanterahana fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ny 9 novambra. “Tsy maintsy irosoana”, hoy ny filohan’ny Ceni.

“Samy manana ny heviny ny olompirenena amin’izao. Izay indrindra no mampitombina ny hoe tsy maintsy irosoana ny fifidianana”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène Retaf, teny Alarobia, omaly, tamin’ny fiantsoana ireo kan­didà hanolorana ny antontan-kevitra momba ny rejisi-pifidianana sy ny biraom-pifidianana. Mba hahazoana mahafantatra ny hevitry ny vahoaka mala­gasy, amin’ny alalan’ny fifidianana no hahalalana sy hahatongavana amin’izay.
Manaja tanteraka ny fanehoan-kevitra ny Ceni. Amin’ izao fotoana izao, misy hevitra tsy mitovy eto amin’ny firenena. Misy ankolafin-kery mivoy ny hoe misy kandidà iray tsy tokony hirotsa-kofidina, ary tokony hasiana fanamboarana ny Ceni sy ny HCC. Misy koa ny fanehoan-kevitra hafa tena mifanipaka amin’izay. Misy ankolafin-kevitra fahatelo, ireo tsy maneho hevitra. Dingana lehibe ny nanomezana ny rejisi-pifidianana sy ny momba ny biraom-pifidianana, fanamarinana manaporofo hatrany ny Ceni amin’ny fametrahana zotram-pifidianana mangarahara mba hialana amin’ny fiahiahiana.
Efa mipetrapetraka avokoa ny fanomanana ny fifidianana. Ho tonga amin’ny faramparan’ity herinandro ity ny biletà tokana, izay natonta tatsy Afrika Atsimo. Efa hita eny anivon’ny kaomi­nina sy ny distrika ary ny faritra koa ny takela-kazo fametahana peta-drindrina amin’ny fampielezan-kevitra. Efa misy ny tetiandro ny fanofanana ireo mpikamban’ny biraom-pifidianana.
Ny kandidà lah. 3 sy lah. 11 ihany no tonga teny an-toerana. Nanatrika ny fotoana ireo mpiara-miombon’antoka.

R. Nd.

Partager sur: