Namoaka fanambarana manoloana ny fanehoan-kevitra amina tambajotra sosialy mahazo vahana tato ho ato ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM). Nisy ny fampahatsiahivana momba izany.
“Mpamoaka vaovao amina orinasa manana ny sata ara-dalàna maha orinasa fanaovan-gazety azy ny mpanao gazety na manana fanamarinana hoe “free-lance” ka mivarotra ny asa ataony amina orinasa manana sata ara-dalàna ho orinasa fanaovan-gazety”, hoy ny OJM. Anisan’izany ny an-tsoratra, na am-bava, na an-tsary, na amin’ny “internet”. Nohitsin’ny fanambarana fa tsy midika velively ho mpanao gazety ny fisalorana fanamiana, na koa “badge” ana orinasa tsy manana sata ara-dalàna ana orinasa fanaovan-gazety, na fihirahirana ho mpanao gazety.
Mazava ny lalàna fa tokony hanana karatra maha mpanao gazety omen’ny OJM ireo mpanao gazety mahafeno fepetra. Karatra omen’ny orinasa fanaovan-gazety mijoro ara-dalàna ihany no manankery ho an’ireo vao manomboka ilay asa. “Ny mpanao gazety mahafeno ireo fepetra ireo ihany no arovan’ny lalàna mifehy ny serasera momba ny haino vaky jery “, hoy ihany ny OJM.
Hentitra ny OJM fa tsy ny pejy amin’ny tambajotra sosialy na ny “site web” rehetra no pejy famoaham-baovao voasokajy ho “presse en ligne”. Tsy ireo manao “publication”, na mpanao gazety taloha tsy manao ilay asa intsony, na manao “militantisme”, dia manana sata maha mpanao gazety avokoa, araka ny fanambarana hatrany. Voatsiahy koa fa ny mpanao gazety no tompon’andraikitra manoloana ny lalàna rehefa tsy hita na any ivelany ny “Directeur de publication” sy ny “rédacteur en chef”. Tsy arovan’ny lalàna ny “publication” amina kaonty na pejy manokana, na koa ny “commentaire” tsy tandrina amina “publication” an’olona amin’ny pejy manokana.
Synèse R.




