Hitohy indray anio, ny hetsika hotarihin’ireo kandidà 11. Mialoha izany, nandray ireo olom-boafidy, ahitana loholona sy depiote ireo vondron’ny kandidà 11 teny Ambohimanambola, omaly. Tafiditra amin’ny fikaroham-bahaolana sy ny fanohizana ny tolona izany ary koa ho famerenana ny tany tan-dalàna, araka ny nambaran’izy ireo tamin’izany.
Nitohy tamin’ny fandraisana ireo fikambanana sy antoko politika ary sokajin’olona na koa sendikà izany avy eo. Nofaranana tamin’ny fihaonana amin’ny solontenan’ireo Olobe sy Tangalamena ary Ampanjaka manerana ny Nosy izany ny hariva.
Nambaran’ny kandidà Rajaonarimampianina fa nampitovy tadin-dokanga izy ireo ary mitovy ny hevitra. “Mitady ny hanatanterahana ny tanjona iraisana izahay ka natsangana ny rafitra fandrindrana ny fomba fiasa ifandraisan’izy ireo aminay”, hoy izy.
Nitaky fanazavana momba ilay zandary vazaha ao Toamasina sy ilay niatrana teny Ambohidahy ny alatsinainy teo koa ny kandidà, Ratsiraka Roland. Takiny koa ny filoha teo aloha, Andry Rajoelina, mba hanaiky ny fampiantsoana atao aminy hitadiavana vahaolana ho an’ny firenena. “Hanao hetsika am-pilaminana izahay rahampitso (anio)”, hoy ihany izy.
Synèse R.




