Naharitra ora roa latsaka fahefany, ny fifampiresahana teo amin’ny FFKM sy ny kandidà ho filoham-pirenena teny Ambohimanoro, omaly.
Mitohy ny fifampidinihan’ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (FFKM) sy ireo kandidà hirotsaka ho filoham-pirenena miisa 13 manoloana ny savorovoro misy eto anivon’ny firenena, araka ny nambaran’ny mpitondra tenin’ ny FFKM, ny Pastora Rakotozafy Denis, teny Ambohimanoro, omaly. Nifampidinika nandritra ny ora roa latsaka niaraka tamin’ireo kandidà sy ny solontenany ireo filoham-piangonana, 48 ora taorian’ny ala nenina. « Efa manomboka mahita loharano amin’ny marimaritra iraisana », hoy ny Pastora Rakotozafy Denis. Manoloana ny toe-draharaha, mitaky hatrany ny hisian’ny fitoniana eo amin’ireo ankolafin-kery rehetra ny FFKM. Tetsy ankilany, samy tsy naharenesam-peo ireo kandidà tonga teny Ambohimanoro. Anisan’ireo nanatrika izany, ny kandidà Lalaina Ratsirahonana, Brunel Razafitsiandrofa ary Siteny Randrianasoloniaiko. Ireto farany izay tsy nidina teny an-dalambe nandritra ny hetsika nataon’ireo kandidà, omaly.
Hetsika nasionaly
Ankoatra io, nitohy ny diabe nataon’ireo kandidà 11 teny Ampefiloha hatrany Andavamamba, omaly atoandro. Nanambara izy ireo fa hetsika nasionaly ny eto an-drenivohitra, ny sabotsy izao. Hisy ny fahatongavan’ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC, izay hanatrika sy hijery ny tena zava-misy eto amin’ny firenena, araka ny fanamafisan’ireto farany. Naharitra ora roa ny fidinana an-dalambe notarahin’ireo kandidà. Tsy nisy kosa fifandonana teo amin’ireto farany sy ny mpitandro filaminana. Hitohy anio ny hetsika.
Tsiferana/Lin/ Fitia




