Tsy mahalala fomba ny ankizy sy ny tanora ankehitriny! Satria, tsy nampianarina izany izy ireo. Na, natoro ihany fa tsy naharay. Tsy nahavita ny adidiny ny ray aman-dreny. Miamboho adidy izy ireo. Ho an’ny Malagasy, miainga ao amin’ ny ankohonana ny fanabeazana. Noho izany, tompon’andraikitra voalohany ny ray sy ny reny niteraka. Vesaran-tsiny izy ireo, satria, tsy mahay mitaiza sy manabe ny taranany. Fitaratra mangavoka! Mahavariana ny maheno sy mahita ray aman-dreny miresaka amin-janany amin’ny fiteny vahiny. Ray sy reny, tsy mahafantatra ny tanin-drazany, ny fomban-drazany, ny fadiny, sns. Tsy manana hampitaina amin’ireto taranany, hany ka ny hafa no manatanteraka izany.
Tsy ho tafaverina eny an-doharano anefa ny Malagasy raha tsy mitrandraka any ifotony. Iray amin’ireny fototra ireny ny ray aman-dreny. Saingy, fototra «tsy marina» noho ny tsy fahampian’ny fahalalana. Noho izany, ny ray aman-dreny mihitsy no takin’ny taranaka ankehitriny hitodika any amin’ny maha izy azy. Hitrandraka sy hanadihady ary hianatra momba ny maha izy azy.
Fantatra fa ry zareo Sinoa no manana ray aman-dreny nahatazona ny momba azy indrindra maneran-tany !
HaRy Razafindrakoto




