Tsy ampy ny fianarana zavakanto mandritra ny fotoam-pialantsasatra lehibe. Hevi-diso eo amin’ny ray aman-dreny ny hahita vokatra tsara sy vetivety amin’ny zanany, rehefa mianatra zavakanto na asa tanana ao anatin’ny volana iray na roa. Mialoha ny hianaran’ilay zaza na tanora. Tokony hanazava ny mpampianatra fa tsy vita ao anatin’io fotoana io ny fianarana. Tsy tonga eo amin’ny dingana « mahay » izy ireo, fa mety hanana ny fototra raha milofo fatratra.
Tsy mifoha raha tsy misy manaitra? Ny tontolon’ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao ary ny soatoavina malagasy no iharan’ny tranga tahaka izany. Trano atsimo sy avaratra, izay tsy mahalena hialofana. Saingy, tsy mifanampy sy tsy mifampitsinjo raha tsy sanatria ka misy ny loza. Fahiny, anefa, vao any amin’ny fanomanana ny tanimbary dia efa mifanampy. Sanatria, miandry loza vao miombon’alahelo ny ankehitriny. Tsy tokony ho any amin’ny ratsy ihany no hampisongadina ny soatoavina malagasy.
80% ny Malagasy no mampiasa ny fitsaboana nentim-paharazana amin’ny andavanandro? Raha io tarehimarika nivoaka omaly io, tokony hiroborobo fatratra ny fahasalaman’ny mponina, satria, manaraka ny lamina voajanahary sady mampiasa ny fitsaboana maoderina ny Malagasy. Izay ve, anefa, no marina? Mbola vitsy ny mahafantatra momba ny fitsaboana malagasy indrindra fa ny tontolo an-drenivohitra.




