Mitoetra ny kanton’i Bakomanga ! Mamelo-maso sy manohy ny lalana R’Imanga Mandimby. Hiaka-tsehatra haneho ny talenta nifandovana izy ireo.
Telo taona lasa izay no nahalasanan’i Bakomanga… Mpanakanto anisan’ny niavaka indrindra teo amin’ny fameloma-maso ny hira sy ny dihy vakodrazana izy. Namelo-maso ny anaran’ity andrarezina ity ny tarika Bakomanga zanany, ary mbola manohy izany.
Etsy andaniny kosa, nanangana ny tarika R’Imanga Madimby i Tina Rakotondrasoa na Imanga, zanak’i Bakomanga ihany. Manohy ny lalana sy mamelo-maso ny kanton’i Bakomanga ny tarika. Fantatra fa hiaka-tsehatra etsy amin’ny CGM Analakely izy ireo, ny 21 oktobra ho avy izao, manomboka amin’ny 5 ora hariva. “Fampahafantarana ny tarika, sady fialan-tsaona no fangatahan-tsodrano io. Tsy dia tena seho fahatsiarovana loatra, satria angamba tsy tokony ho izahay irery no hanao izany, raha tarafina amin’ny isan’ireo mpanakanto niara-niasa tamin’i Bakomanga”, hoy ny fanazavan’Imanga.
Na izany aza, hamelona ireo sanganasan’i Bakomanga R’Imanga Mandimby. Hisy ihany koa ny fampahafantarana ny hiran’izy ireo manokana, noforonina taty afara. Mirafitra toa ny tarika mpanao vakodrazana ihany R’Imanga Mandimby, saingy nitondra ihany koa fanavaozana tao anatin’izany. Mandrafitra ny tarika ry Herikabosy (kabaosy) Boanamahery (mpihira sy mpandihy), Mamazoly (mpihira sy mpandihy), Jacky William (angorodao), Hery Tuba (beso tsofina), Dera (trompette, trombone), Fenosoa (mpihira, mpiangaly ny zavamaneno ravaka) Rojo ( mpihira, mpandihy) Tinah ( mpihira, mpandihy), Fïne Art (mpihira, mpandihy), Mamy (amponga maroanaka) ary Imanga, izay lehiben’ny tarika.
Raha tsiahivina fohy, nisongadina tao anatin’ny tarika Ramahafadrahona i Bakomanga, nanomboka ny faha-13 taonany. Ny taona 1994 kosa no nanapa-kevitra ny handeha irery, ka nanangana tarika nitondra ny anarany izy. Nilofo tamin’ny fampiakarana avo ny vakodrazana, teto an-toerana sy tany ivelany i Bakomanga.
Zo ny Aina




